Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe hafa
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
hafa
Hampiditra ohabolana
1.
Hafa mihitsy rehefa Tsiky sy Hehy no tazana eny amin'ny endrik'ise!
AsaphMahane
2.
Enga anie ny devoly izay mitady handrebireby anareo, ho tahaka ny bararata amoron-drano, ka hangovitra mandram-pahafatiny
Azrael666
3.
Mpamosavy milaza tia fahavalony, hay mila tamby fahafatesana
ram20
4.
Ny fahavoazana dia mahafaoka henatra
rado_albert
5.
Torabato avy any andanitra ny fahafatesana , ka tsy fantatra izay ho latsahany.
Benjamadagasikara
6.
Ny teny toy ny toakan-jaodahy, kely tsy mahafa-po be mamoaka ny aty
lehsabotsy
7.
Manebaka ny hafa ho voretra hay zatra mpanao sasa-piso
herrand_miri
8.
Izay mahafaty ka aretina
angouz
9.
Manary vady tanora ka manome zara ny hafa
OZ16
10.
Zavatra hahafaty tsy mba ambara vady.
seul110
11.
Adala ny manina ka ny tompo-bady no hafarana.
BEDOGAIGY
12.
Afa-draorao toy ny tany dilatra nahafaham-bato.
BEDOGAIGY
13.
Aleo maty anio toy izay maty androany,ny fahafatesana tsy heloka fa jarahetra
ODILON
14.
Andriamanitra tsy andrin'ny hafa fa andriko ihany
dagomainty
15.
Jiolahy nahafaty mpamosavy,ka matin'ny olon-dratsy ny ny olon-tsy vanona.
FENOSOA2
16.
Na iza hianao na iza dia tsy misy mahasamihafa amin'ny hafa
niryna
17.
Tsy voavonjin'ny hafa akory fa ny havana ihany no hala-mahatratra
yveratsimb
18.
Aza atao toy ny fanjaibe hazo ny fitiavana, very tsy mampamoifo, hita tsy mahafaly
yveratsimb
19.
Ny Havana aza mba hadinoina, toy ny kitapo nahafahana entana
yveratsimb
20.
Ny fifalian'ny sasany toa fahorian'ny hafa, ny sakafon'ny sasany toa poizina mifono ho an'ny hafa
yveratsimb
21.
Ny fahafatesana lalan-kiraisana ihany fa tombon-dalana no an'ny lasa
yveratsimb
22.
Ny anatry ny ray toy ny tsipak'ombalahy, mahavoa mahafaty, tsy mahavoa mahafanina
yveratsimb
23.
Hafahafa fitia sifotra ka ny tamenany indray no ariana
yveratsimb
24.
Misao-bady tanora, ka manome zara ho an'ny hafa
yveratsimb
25.
Amin'ny fihainoanao ny hafa dia efa mankahery azy hianao .
niryna
26.
fihavin'alika: tonga tsy mahafaly lasa tsy maha-tezitra
nalaina
27.
Aza ny havana no asian-dratsy; fa tsy ho tratry ny hafa tsy akory.
niryna
28.
Aza midoka-tena ,aleo ny hafa no hiteny izany.
niryna
29.
Mpangalatra nahafaty Mpamosavy ka matin'olon-dratsy ny olon-tsy vanona
RAINIJE
30.
Ny olom-belona tsy main-tsy lena, samy tsy ilaozan'ny alahelo sy hafaliana
aivetinakely
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.248