Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe inao
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
inao
Hampiditra ohabolana
1.
Ny fihavanana tsy tiako ho rava no tsy hanaovako trosa aminao
RIJA08
2.
Fihavanana tsy tiko ho rava no tsy anaovako trosa aminao
Jj.be
3.
Aza faly ny hanambany fa ny hainao tsy ho vitako,ary ny vitako tsy ho hainao.
Ny_Arlinah
4.
Mpirahalahy mianala, ianao tokiko izaho tokinao
OZ16
5.
Adidinao tsy namangy fa ny aretiko sitran-tsy miody.
BEDOGAIGY
6.
Toy ny sakay ao anaty tavoahangy ny fiainana,izay nohaninao anio no havoaka rahampitso.
niryna
7.
Ny fampiarana ny fahefana dia toy ny vola any amin'ny banky,araka nny ampiasainao azy no hanamaivana izany
niryna
8.
Anatsomanga namolakify tsy hainao tsibalibalin-draha. (Ohabolana Tsimihety)
soanja
9.
Izay vahiny tonga miantrano ao aminao dia hevero toy ny noana sy reraka ary mangatsiaka ka karakarao mifandraika amin'izany izy na izy ireo.
soanja
10.
Ny teny rehetra izay avoakan'ny vavanao no andraikitra lehibe ao aminao
niryna
11.
Ny olona mety manahy izay teneninao fa mino kosa izy izay ataonao
niryna
12.
Izay rehetra azon'ny tànanao atao dia ataovy amin'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.
niryna
13.
Izay fatra hamaharanao ihany no hamaharana anao koa.Izay voa afafinao ihany no voa honjinjainao ihany koa
niryna
14.
Tano mafy ny fananarana fa aza avela hiala.Hazony izy, fa ainao
niryna
15.
Izay tianao ataon'ny olona aminao no ataovy amin'olona
niryna
16.
Izay ataonao amin'olona ihany no ataon'ny olona aminao.
niryna
17.
Raha hihomehy hianao dia hiara-hihomehy aminao ny rehetra, raha mitomany hianao dia hianao irery ho hiaran'izany
niryna
18.
Rehefa inao ve no misioka dia omby iray tanety, farehefa ny olona dia kery iray lohasaha.
ilanto
19.
Aza aseho ny nifinao rehetra raha tsy efa manaikitra hianao.
niryna
20.
Raha mitomany hianao, dia hianao irery no mitomany fa raha mihomehy kosa hianao dia mihomehy miaraka aminao ny amban'ny lanitra.
niryna
21.
Vavakisoa misy sira, ka tokinao hihinana azy.
aivetinakely
22.
Vavan-kisoa misy sira, tokinao hihinana azy.
aivetinakely
23.
Ny fiainana dia izay hieritreretinao ho ianao, no maha ianao anao.
niryna
24.
Hajao ny ray aman-dreninao mba hahalavorary anao.
ariel
25.
Antobavy milefa mahalegny takatra izy nijanogno-Antoboavy mandihy aligny, izy koa tsy dadinao ialao
salim
26.
Tsy ny teny no ratsy fa ny sainao no tsy tsara
JMR
27.
Vava-kisoa misy sira ka tokinao hihinana azy!
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0236