Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe masiaka
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
masiaka
Hampiditra ohabolana
1.
Omby masiaka mifatotra ny marina ka loza hoan'izay mamoraka azy. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
2.
Zanak'omby masiaka ,tsy matahotra an-dreniny
niryna
3.
Tojo rafozam-bavy masiaka, ka ny mivoaka mitsiotsioka no fanafodiny.
aivetinakely
4.
Izay mankahala andriana tompoina tsy mitsinjo taranaka, izay manompo andriana masiaka tsy mijery ny ho avy.
aivetinakely
5.
kely masiaka toy ny sakay tsilanindimilahy
niryna
6.
Zanak'omby masiaka tsy matahotra an-dreniny.
niryna
7.
aleo henjehin'ny omby masiaka toy izay henjehin'ny heritreritra
latina
8.
Aleo enjehin'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny heritreritra
latina
9.
ny manambady ny masiaka, mitahiry varatra an-trano ary ny manabady ny kamo, mitahiry faty tsy maimbo
antsiry
10.
Tsy misy masiaka toy ny sakay fa rehefa teny ierana lany ihany.
hery
11.
Aleo enjehin'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny eritreritra
JMR
12.
Zanaky ny omby masiaka tsy mba matahotra ny reniny
jentilisa
13.
Aleo enjehin'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny eritreritra
vale
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0329