Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tompon
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tompon
Hampiditra ohabolana
1.
Mpiandry omby volavita tsy tompony fa mpamerin-doha
OZ16
2.
mpajono no tompon'ny trondro,fa ny anglisy no tompon'ny tafondro
heriy
3.
Hoy ny Ntaolo hoe" Ny lainga toy ny salaka ka ny tompony ihany no fatorany"
Razakasoa-joda
4.
Boka mangala-boatavo dia miandry ny tompony hanatatao.
Tokymnp
5.
Saro-devonina sahala ny tsaramaso tsy tsara masaka, manahirana ny tompony ary koa manahirana ny mpiara-monina.
tsiroa
6.
Boka nangala-boatavo ka miandry ny tompony hanatatao
varombo
7.
Lainga toahiny salaka ny tompony ihany afatony
andriamena45
8.
ny lainga toy ny salaka n tompony ihany no afatony
manantsoa_26
9.
Takitrosa amin'andriana ka ny tompony indray no manambitamby.
aivetinakely
10.
Kibo mikoraraika: ny tompony no mahalala
yveratsimb
11.
Ny hitsikitsika tompon’ny dihy, ny Vivy tompon’ny rano, ary ny ray aman-dreny no tompon’ny fitenanana
yveratsimb
12.
Aza manao tompony, mangataka atiny
yveratsimb
13.
Ny teny toy ny zipon'ny tovovavy, lava mamafa lalana, fohy mampitanjaka ny tompony
yveratsimb
14.
Aza mody milaza fa tsy tompon'andraikitra amin'ny zavatra atao.Andriamanitra irery no mahalala ny ao am-po tsy miafina.
niryna
15.
Tsy vorodea ty fiay ,tsy hay ty tsy tompony
tatinatah
16.
Tehatehaka ny an'i Ambodisiny fa Ambohimalaza no tompon'ny gora
Niankohofana
17.
Valalan 'alika ka ny tompony aza tsy tia.
niryna
18.
Manjora mitsilany ka miverina any amin'ny tompony
niryna
19.
orakoraka ny any saogna fa tsibobohika no tompony rano
andrebab
20.
ny lainga toy ny salaka ka ny tompony ihany no fatorany
kiriah
21.
Izay tonga aloha tompon-dasy.
soanja
22.
Mitafy lamba imason'ny tompony.
soanja
23.
Misarebaka ny lamba indrana, ka nony tonga endahin'ny tompony.
soanja
24.
Tsakitsakin-jaza: tompony indraika izarana. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
25.
Sadika gny fagnahy : tompony my hodidigniny.
soanja
26.
Mipaoka imason'ny tompony toy ny voromahery.
soanja
27.
Tsikirity momba fody, ka tsy tompon-dia fa mpanaraka.
soanja
28.
Fody lahy mena vary ka manandrana alohan'ny tompony.
soanja
29.
Roborobo no an'ny vahiny, fa ny tompon-trano no mandraoka ny lavenona.
soanja
30.
Vatolampy nanasan-dandy, ka ny lavenona lasan'ny rano, ny landy lasan'ny tompony.
soanja
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.094