Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe zara
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
zara
Hampiditra ohabolana
1.
Ela nizarana ny tsara sy matsiro toy ny vilanin'ny antitra.
Angonoka
2.
misao-bady tanora ka manome zara ho an`ny sasany
RIJA08
3.
Ratsy tarehy be vody ka tsy avelan`ny vodiny ho lany zara
RIJA08
4.
Misao-bady tanora ka manome zara ho an'ny sasany.
ndrina56Oha
5.
Ratsy tarehy be vody tsy matahotra ny ho very zara
poussyratre
6.
zavatra tsy ampy zaraina ka mifandefitra no mahatsara fihavanana
rado_albert
7.
Fizaran-kena maty jiro, vintana sisa no andrasana.
Lahimatoa
8.
Henan' ny mpitsoka mozika, ataovy tsara zara fa vidim-pofon' aina .
ikalamako
9.
Aleo mizara toy izay omena
randimbya
10.
Manary vady tanora ka manome zara ny hafa
OZ16
11.
Tolona sy ady ny fiainana ka zara ho an´izay manam- paniriana handresy
tovorandria
12.
Tantely be ronono ny fitiavana ka arakaraky ny hizaranao azy no vao maika ahazoana fifaliana.
yveratsimb
13.
Tsy hadalan' ny akoho no itoerany an-joro fa toeram-boazara
yveratsimb
14.
Misao-bady tanora, ka manome zara ho an'ny hafa
yveratsimb
15.
Ny fahazarana no lasa toetra ka fikiro izay fahazarana tsara.
niryna
16.
Aza atao fitia voazara, ny tandrify azy indray no tsy henika
aivetinakely
17.
Tsy fidin'ny angady ny hitrandraka ny andrian-tany, fa asesiky ny zara raharaha.
soanja
18.
Tsakitsakin-jaza: tompony indraika izarana. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
19.
Katsaka an-tanimena ka ny baby kambana tsy misy, fa zara raha mahavelon-tena.
soanja
20.
Ny fahasambarana, hono, tsy tsapa raha tsy ifampizarana amin'ny hafa.
soanja
21.
"Raha fitia mizarazara, aleo misaraka no tsara"
mpoon
22.
Zara hetra sy dia voatendry ny fahafatesana ka rehefa anajara tsy azo sakanana
velosoa
23.
Fitia voazara, ny maharitra no tompony.
aivetinakely
24.
Ny antitra dia manome toro-anatra tsara raha toa ka tsy mampiseho ny fahazaran-dratsiny intsony
niryna
25.
Ratsy anarana tahaka ny hena fizara am-paty.
aivetinakely
26.
Manary vady tanora manome zara ho an'ny sasany.
aivetinakely
27.
Aza matoky tena tahaka ny antsy kely be zarana
aivetinakely
28.
Aza matoky tena tahaka ny antsy kely be zarana.
aivetinakely
29.
Ny angady no asesiky ny zarany, ny ny rano atosiky ny vato, fa ny olombelona entanin'ny fahendreny.
aivetinakely
30.
Mandany zara ny sasany.
niryna
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0176