Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
antitra
Hampiditra ohabolana
1.
Anti-bavy nahandro sakafo, antanan'ny tompony!
Angonoka
2.
Ela nizarana ny tsara sy matsiro toy ny vilanin'ny antitra.
Angonoka
3.
Ela niaretana ny mahamay toy ny vilanin'antitra.
Angonoka
4.
raha tanora tsy hilalao dia aleo mody ho antitra, fa raha antitra tsy hampiady karajia dia aleo mody ho razana
Jocelyn Bellarmain
5.
Rafotsibe mitarano,izay mahasoa ataon'Andriamanitra
Jj.be
6.
"Tsy Mpanjaka ty Roandriagne, ty anake tsy ondevo"
NaryCharlier
7.
"Ny Manankarena Mety Mbola Hijaly,ary Ny Mahantra Mety Mbola Hifaly"
avoss Jah
8.
Antitra vao tia sangy sahala amin'ny tsipolotra antitra.
aivetinakely
9.
Tsy misy tanora tsy nijoro fa rehefa antitra miady lohalika
OZ16
10.
Fotsy volo tsy mahay mikabary ka mipetraka atsangan'ny olona, mitsangana apetraky ny olona.
raonimanana
11.
Mitovy ty lava andro niainà no ty maro tany nombà fa ty amany tsy maharake ty tay lava
Ratianakel
12.
Tanora tsy mi-bis tsy mi-bà, efa antitra vao mikapilakopà (mikopily kopy ah').
ilanto
13.
Tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka.
aivetinakely
14.
Antitra kendam-bodiakoho ka omem-boninahitra indray vao mivadi-boamaso
ramix
15.
antitra mampiady kalo ka ny antitra antitra ihany
litakelinineny
16.
manao fahanterana alika ka antitra vao mihagaigy
litakelinineny
17.
Hoditra azon'antitra: tsy hanina fa tanontanonina foana.
jentilisa
18.
valalan'amboa: tanora mitsipika, antitra mitsipika.
jentilisa
19.
tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka
jentilisa
20.
manaram-po fahazaza ka maka kitay fotsy volo
jentilisa
21.
Antitra aho vao be ny tanora
JMR
22.
Ny tanora vato mandondona, ny antitra hazo amoron-tevana
JMR
23.
Ny mamerina indroa manana ny antitra
JMR
24.
Ketsa ve aho ka ho antitra iray taona?
McFy
25.
Anti-bavy mita tatatra, manokatra ny efa mikatona
JMR
26.
tanora ratsy fihary, antitra vao ratsy laoka.
jentilisa
27.
aza ho toy ny tsipolotra, antitra vao tia sangy
jentilisa
28.
Antitra miady kalo ka ny antitra antitra ihany
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0101