Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe enina
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
enina
Hampiditra ohabolana
31.
Tanon'Antanananarivo io ka izay mahavita aloha no manenina.
niryna
32.
Ny nenina tsy aloha hananatra fa afara handatsa.
aivetinakely
33.
Aza atao fihavanam-bato ka raha tapaka tsy azo atohy, fa ataovy fihavanan-dandy, ka ny madilana tentenina, ny mainto atohy.
aivetinakely
34.
Basy atifi-kavana, tsy afenina fa arangaranga.
aivetinakely
35.
Ny nenina tsy ao aloha fa aoriana
niryna
36.
Ratsy atao amin-kavana, izay mahavita be no manenina
aivetinakely
37.
Adin'ny mpirahalahy ka izay mahavita be no manenina.
lanto
38.
Ny jeri-maso afenina zaka ihany, fa ny kibo miaritra akiky no tsy toha
latina
39.
Vay an-kandrina, ka sarotra afenina
latina
40.
Harabaina, tsy mahalala; tenenina, dia tezitra
latina
41.
Ny hendry ihany no anarina fa raha ny adala no tenenina ny lambany no ariany
Moundzee
42.
marenina
jobily
43.
Aza atao fihavanam-bato, raha tapaka tsy azo atohy, fa ataovy fihavanan-dandy, raha tapaka azo tetenina
rajah
44.
Ny nenina tsy ao aloha hananatra fa ao aoriana handatsa
mandrindra
45.
Hajao ny ray aman-dreninao mba hahalavorary anao.
ariel
46.
Ny nenina tsy mba roahina eo aloha tahaka ny ondry fa avy manaraka tahaka ny alika.
ftma
47.
Haleo henatra imaso toy izay fitia hafenina
doum
48.
Ny nenina tsy eo aloha hananatra fa ao aorina handatsa
doum
49.
tsy takona afenina toy ny tafika andrefan-tanàna
jentilisa
50.
Izay be ditra be nenina
hery
51.
Nahoana no fony tanora tsy niala nenina, ka efa tsipolitra antitr vao tia sangy
McFy
52.
Ny nenina tsy aloha hananatra, fa aorina handatsa
JMR
53.
Ny nenina tsy mipetrka hatao Mbay lalana, ary tsy mitsidika hatao Mandrosoa, fa aoriana vao mandatsa
McFy
54.
Izay tsy afa-po be nenina
McFy
55.
toko tapaka, vilany mitongilana izay tsy mety arenina
jentilisa
56.
Tranoben'Antananarivo, izay mahavita aloha no manenina.
jentilisa
57.
Ny nenina tsy mipetraka hatao Mbay làlana, ary tsy mitsidika hatao Mandrosoa, fa aoriana vao mandatsa.
lanto
58.
Ny nenina tsy aloha fa aoriana.
lanto
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0173