Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe laza
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
laza
Hampiditra ohabolana
31.
Ny anateran-kira indray no milaza tsy mahay.
walte
32.
Rano an-tambo, tsara anarana fe milaza loza.
aivetinakely
33.
be vava nanjono pirina ; pirina no azo ka amalona no lazaina fa nanapa-tady
bobone
34.
Ovin'Antsirabe, malaza amin'ny fitsofana azy ihany.
aivetinakely
35.
Mpamitaka tahaka ny lehilahy te-hampirafy, milaza tsy manana kanefa efa folo anaka.
aivetinakely
36.
Milaza ho malefaka am-bava kanefa mandefona ivoho.
aivetinakely
37.
Raha te handainga dia milaza ny tsy hita
Raherizo
38.
Malaza tsy ihinanana tahaka ny lovian-tsahona.
aivetinakely
39.
Aza manao fanirin-tsaonjo ka ny mamelana indray no lazaina ho mandoza.
aivetinakely
40.
Malaza ho vy nefa tsy mahafolaka zozoro.
ontsy
41.
Malaza ho setroka nefa tsy mihoa-bovonana !
ontsy
42.
Malaza ho zanak'andriana nefa tsy mbola niaka-drova.
ontsy
43.
Ikopa no renirano malaza, ampian'ny tatatra arivo saha, ny foto-kazo no midoroboka, ny sampany sy ny rantsany no misandrahaka.
aivetinakely
44.
Aza mitari-bato vilam-bava, ny tondroin'ny molony hafa, ny lazain'ny vavany hafa
niryna
45.
Na ny adala aza rehefa tsy miteny dia azo lazaina fa hendry ihany
niryna
46.
Tsy izay tena izy no hitantsika fa izay ao anatintsika no hilazaintsika ilay izy
niryna
47.
Ny vavolombelona marina milaza izay hitany fa ny vavolombelona ratsy kosa milaza lainga
niryna
48.
Aza midera vady mahay mandihy fa aoka ny sandriny no hilaza azy
niryna
49.
Lazao ahy ny namanao ahalalako ny toetranao
niryna
50.
Malaza tsy ihinanana toa vilian-tsahona.
ilanto
51.
Malaza tsy hihinana toy ny viliantsahona
niryna
52.
Volamena latsaka am-bovoka ka tsy avelan'ny lazany tsy hahiratra
rtol
53.
Tsy midera vady mahay mandihy fa ao ny sandriny no hilaza azy
rtol
54.
Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena.Ary tsara ny fitia noho ny voafotsy sy ny volamena
niryna
55.
Malaza tsy hinanana toy ny lovian-tsahona
rtol
56.
Malaza avy any namehana ka tsy nivimbina voasary ho an-jaza
rtol
57.
Mody milaza tsy miady kanefa ny kobay an-kelika ihany.
niryna
58.
Milaza tany Namèhana kanefa tsy mitondra voasary ho an-jaza.
aivetinakely
59.
Malaza tsy ihinanana tahaka ny lovian-tsahona
aivetinakely
60.
Milaza hoe tsy tia, tsy tia ;kanefa tsy manidy trano.
niryna
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0171