Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe laza
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
laza
Hampiditra ohabolana
61.
toy ny reni-hao, ny vavy indray no malaza.
latina
62.
totofany lainga ka dia miaritra ihany, ilazany ny ampitso lava ka dia miramirana
latina
63.
te hilaza ka tsy mahay, te-hiteny ka bada lela
latina
64.
Ny valala misy rahate, ny mpilaza mahay koa
latina
65.
Rafotsibe manandrana anana: tsy milaza ny hafiny, fa ny masony mangarika ihany
latina
66.
Anjeva no matavy omby ka ambohimalaza no lafo kitay
rakotomahenina76
67.
Ny endriky ny olona dia milaza ny miafina ao am-pony
Onira
68.
aza midera vady mahay mandihy fa ao ny sorony hilaza azy
tia
69.
Volom-bodin'akoholahy malaza: tsara ihany fa any ivohon'ny namany.
soanja
70.
Ny hevitra terabary ka samy milaza izay ao am-pony
murier
71.
Raha laza no ilaina, tsy ny ditra no hifaninanana !
tsikomen
72.
Kobokoboin'ny marina ka milaza tsy hanotaniana
doum
73.
Isika hanateran-kira indray ve no milaza tsy mahay
doum
74.
Lazao ahy ny namanao dia lazaiko anao ny toetranao
doum
75.
ny lainga mampisolantsolana andro ilazana, fa mampivalomainty andro ifanatrehana.
jentilisa
76.
Ny anadahy toy ny vodi-fahitra: na soa na ratsy izay manjo lazaina avokoa.
jentilisa
77.
Aza manao be filaza ka manao kely fitondra mody
McFy
78.
Rafotsy be mangetotra an-tsena : laza no tadiavina!
JMR
79.
Ny lainga mampitsolantsolana andro ilazana fa mampivalomainty raha mifanatrika
mandrindra
80.
Aza milaza atsanga tsy aman'orana
jentilisa
81.
Be filaza fa kely fitondra
jentilisa
82.
Akory ilay malaina: asaina miasa lohataona manao hoe vaky lafika aho, asaina manosy fahavaratra milaza ho mararin'ny tazo, avela an-tanĂ na tsy mahamasa-kanina.
jentilisa
83.
Malaza tsy ihinanana toa vilian-tsahona
hery
84.
tsy hidera vady mahay mandihy aho fa eo ny sandriny hilaza azy.
jentilisa
85.
ny anateran-kira indray ve no milaza ho tsy mahay
jentilisa
86.
Malaza ho avy any Namehana ka tsy mitondra voasary ho an-jaza
jentilisa
87.
Kitikitihan'ny marina ka milaza tsy anontaniana
vale
88.
Malaza ho lahy ka tsy mandry an-efitra!
lanto
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0173