Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe laza
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
laza
Hampiditra ohabolana
61.
te hilaza ka tsy mahay, te-hiteny ka bada lela
latina
62.
Ny valala misy rahate, ny mpilaza mahay koa
latina
63.
Rafotsibe manandrana anana: tsy milaza ny hafiny, fa ny masony mangarika ihany
latina
64.
Anjeva no matavy omby ka ambohimalaza no lafo kitay
rakotomahenina76
65.
Ny endriky ny olona dia milaza ny miafina ao am-pony
Onira
66.
aza midera vady mahay mandihy fa ao ny sorony hilaza azy
tia
67.
Volom-bodin'akoholahy malaza: tsara ihany fa any ivohon'ny namany.
soanja
68.
Ny hevitra terabary ka samy milaza izay ao am-pony
murier
69.
Raha laza no ilaina, tsy ny ditra no hifaninanana !
tsikomen
70.
Kobokoboin'ny marina ka milaza tsy hanotaniana
doum
71.
Isika hanateran-kira indray ve no milaza tsy mahay
doum
72.
Lazao ahy ny namanao dia lazaiko anao ny toetranao
doum
73.
ny lainga mampisolantsolana andro ilazana, fa mampivalomainty andro ifanatrehana.
jentilisa
74.
Ny anadahy toy ny vodi-fahitra: na soa na ratsy izay manjo lazaina avokoa.
jentilisa
75.
Aza manao be filaza ka manao kely fitondra mody
McFy
76.
Rafotsy be mangetotra an-tsena : laza no tadiavina!
JMR
77.
Ny lainga mampitsolantsolana andro ilazana fa mampivalomainty raha mifanatrika
mandrindra
78.
Aza milaza atsanga tsy aman'orana
jentilisa
79.
Be filaza fa kely fitondra
jentilisa
80.
Akory ilay malaina: asaina miasa lohataona manao hoe vaky lafika aho, asaina manosy fahavaratra milaza ho mararin'ny tazo, avela an-tanĂ na tsy mahamasa-kanina.
jentilisa
81.
Malaza tsy ihinanana toa vilian-tsahona
hery
82.
tsy hidera vady mahay mandihy aho fa eo ny sandriny hilaza azy.
jentilisa
83.
ny anateran-kira indray ve no milaza ho tsy mahay
jentilisa
84.
Malaza ho avy any Namehana ka tsy mitondra voasary ho an-jaza
jentilisa
85.
Kitikitihan'ny marina ka milaza tsy anontaniana
vale
86.
Malaza ho lahy ka tsy mandry an-efitra!
lanto
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0559