Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mahita
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mahita
Hampiditra ohabolana
31.
Sambatra izay olona mahita fahendrena sy mahazo fahalalana
niryna
32.
aza jamba amin'ny fitiavana fotsiny tahaka ny biby mahita sakafo
voniala
33.
Avo fijery Andriamanitra, koa mahita ny miafina indrindra.
ilanto
34.
Zagnahary agnabo koa mahita ny kilaraha iaby.
ilanto
35.
Maso mahita tsy mitondra mody
niryna
36.
Aza miafina nefa misy mahita, toy ny mpamosavy mandeha alina
anahely
37.
Tsy misy mahita kilema momban'ny tena.
niryna
38.
Tsy misy mahita kilema momban'ny tena.
niryna
39.
Mahita anay lavin-kavana ka miady mena masoandro.
aivetinakely
40.
Ny ela nonenana amoron-drano mahita ny marivo hirobohana, ny ela nonenana amoron'ala mahita ny mahitsy hokapaina
aivetinakely
41.
Kamovavy mindrana angady ka aza mahita anie aho
aivetinakely
42.
Mahita ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho taman-trano.
niryna
43.
Tsy maso fa sa fiandry loha no tsy mahita izay hojerena?
niryna
44.
Mahita loza Ikalamomba, fa misambo-balala ho anjanak'olona
latina
45.
Mahita volana alohan'ny biby
latina
46.
Lahy antitra manin-kavana: hitsinjo, tsy mahita; handeha, tsy afaka.
latina
47.
Didimaso maro anaka, ka tsy mahita ny ef nihinana
latina
48.
Jamba misikidy: mahita masoandro ho an'olona, fa tsy mahita mazava ho an-tena
latina
49.
jamba mitanin'andro: finaritry ny hafanany, fa tsy mahita ny famirapiratany
latina
50.
Avo fijery ny andriamanitra, ka mahita ny takona
latina
51.
Didimaso an-danonana ka mitomany mahita soa
miara
52.
Mahita ny Ankanga tsara soratra ka manary ny Akoho tamana an-trano
florenciah
53.
Mahita anay lavi-kavana ka manati-kabary mena masoandro
herikely
54.
aza varimbarian'ny lavitra ka tsy mahita ny eo ambany maso
tovolahy007
55.
Indimy mahita maizina tahaka ny jamba miakanjo mainty, manao solomaso mainty, mandeha ao anaty tonelina amin' ny andro alina
fek
56.
Ny teny toy ny kitoza, ka izay mahatsakotsako no mahita ny tsirony
marozevo
57.
Varivarian'ny lavitra ka tsy mahita ny ambanin'ny maso.
ariel
58.
mahita ny akanga tsara soratra dia manary ny akoho tama-trano
doum
59.
Mahita volana alohan'ny biby
doum
60.
Varivarin'ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso
doum
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0177