Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mahita
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mahita
Hampiditra ohabolana
31.
aza jamba amin'ny fitiavana fotsiny tahaka ny biby mahita sakafo
voniala
32.
Avo fijery Andriamanitra, koa mahita ny miafina indrindra.
ilanto
33.
Zagnahary agnabo koa mahita ny kilaraha iaby.
ilanto
34.
Maso mahita tsy mitondra mody
niryna
35.
Aza miafina nefa misy mahita, toy ny mpamosavy mandeha alina
anahely
36.
Tsy misy mahita kilema momban'ny tena.
niryna
37.
Tsy misy mahita kilema momban'ny tena.
niryna
38.
Mahita anay lavin-kavana ka miady mena masoandro.
aivetinakely
39.
Ny ela nonenana amoron-drano mahita ny marivo hirobohana, ny ela nonenana amoron'ala mahita ny mahitsy hokapaina
aivetinakely
40.
Kamovavy mindrana angady ka aza mahita anie aho
aivetinakely
41.
Mahita ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho taman-trano.
niryna
42.
Tsy maso fa sa fiandry loha no tsy mahita izay hojerena?
niryna
43.
Mahita loza Ikalamomba, fa misambo-balala ho anjanak'olona
latina
44.
Mahita volana alohan'ny biby
latina
45.
Lahy antitra manin-kavana: hitsinjo, tsy mahita; handeha, tsy afaka.
latina
46.
Didimaso maro anaka, ka tsy mahita ny ef nihinana
latina
47.
Jamba misikidy: mahita masoandro ho an'olona, fa tsy mahita mazava ho an-tena
latina
48.
jamba mitanin'andro: finaritry ny hafanany, fa tsy mahita ny famirapiratany
latina
49.
Avo fijery ny andriamanitra, ka mahita ny takona
latina
50.
Didimaso an-danonana ka mitomany mahita soa
miara
51.
Mahita ny Ankanga tsara soratra ka manary ny Akoho tamana an-trano
florenciah
52.
Mahita anay lavi-kavana ka manati-kabary mena masoandro
herikely
53.
aza varimbarian'ny lavitra ka tsy mahita ny eo ambany maso
tovolahy007
54.
Indimy mahita maizina tahaka ny jamba miakanjo mainty, manao solomaso mainty, mandeha ao anaty tonelina amin' ny andro alina
fek
55.
Ny teny toy ny kitoza, ka izay mahatsakotsako no mahita ny tsirony
marozevo
56.
Varivarian'ny lavitra ka tsy mahita ny ambanin'ny maso.
ariel
57.
mahita ny akanga tsara soratra dia manary ny akoho tama-trano
doum
58.
Mahita volana alohan'ny biby
doum
59.
Varivarin'ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso
doum
60.
Mahita loza Ikalamomba fa misambo-balala ho anjanak'olona.
jentilisa
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1667