Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tsia
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tsia
Hampiditra ohabolana
31.
Tsia tia, tsy tia, fa tsy manidy trano
niryna
32.
Ny fisaorana dia sitraka enti-matory, valiana raha mahatsiaro
niryna
33.
Ny fisaorana dia sitraka enti-matory, valiana raha mahatsiahy
niryna
34.
Kristianina alahady, alatsianiny mangalatra akoho.
ilanto
35.
Fanitsiana : Manaova toy ny vato andava-drano, tsy miady fa mifanazary toerana
aivetinakely
36.
aza manao fanafodin-dRabetsiafindra: mahay ho an'ny olona, fa tsy mahay ho an-tena
latina
37.
Ny ao ampon'ny siny mangatsiaka, fa ny ao am-pon'ny vilany mahamay
latina
38.
Sotroben-dRatsiavanga: sady fikapohana akoho no fangaroana anana.
latina
39.
Aponga mihantona, velezina raha mahatsiaro
latina
40.
Ny lamban'ny matory irakofan'ny mahatsiaro.
lanto
41.
sarotra tiavina toa rano mangatsiaka sotroina be loatra mankarary kibo
gozonel
42.
Tsy ampahafirin'izay bevohoka ratsian-kena ka manaikitr'omby am-pitsanganana
sarabe77
43.
Rafotsibe manenjika tsipoy: raha azo atao fanampin-daoka, ra tsia oviana no mba nahazo anio.
Bobdenard
44.
Rafotsibe manenjika tsipoy: raha azo atao fanampin-daoka, ra tsia oviana no mba nahazo anio.
Bobdenard
45.
Mizelazela ka te ho hita, manahaky mpamarakin'ny Tsianaloke
roscarb
46.
Mpamaraky tsianaloky migeste, ndra drala raiky tsy amposo!
roscarb
47.
Akoholahy mitsoaka papango, tsy tahotra fa tsiaro ny fahiny
razooz
48.
ny mandringa tsy omentehana hono mahatsiaro fahoriana mivadibadika tahaka ny lela may
estine
49.
Ny vava toy ny voro-damba, ka mitsiaka etsy, mitsiaka eroa
hery
50.
Mahita ny amboa miady taolana ka mahatsiaro ny hena fony nandro
ftma
51.
Zanaka tiana tsy hitsitsiana rotsan-kazo
McFy
52.
Sotroben-dRatsiavanga: sady fikapohana akoho no fangaroana anana
Fanja1
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8059