Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe vôna
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
vôna
Hampiditra ohabolana
31.
Miambovona tahaka ny vehivavy vita fomba, ka manadino ny adidy miandry.
aivetinakely
32.
Keliloha mitavona menaka ka safotra mbamin'ny handrina.
aivetinakely
33.
Volabe tsy arahim-pitiavana, zary poizina mamono ny vatana, lasa zavona tahaka ny vongandranomandry.
aivetinakely
34.
Ny zavona no manamaizina ny mazava
niryna
35.
Malaza ho setroka nefa tsy mihoa-bovonana !
ontsy
36.
Toy ny haran-domotra saron-javona ka izay misakasaka ratsy fisikina no solafaky ny setrasetran-tsahondra ka zary very faty an-tenantenan-tsolatra !
ontsy
37.
Donak'afon'Analakely ka tonga dia any any ambovonany.
sylvoalias
38.
Ny fiavonavonan'ny olona no hampietry azy, fa ahazo voninahitra kosa ny manetry tena
niryna
39.
Aza miakatra ho rahona ka mihelin-ko zavona
niryna
40.
Toy ny tain'alika ka ny avo ihany no hivovonana.
niryna
41.
Donak'afon'Analakely avy hatrany dia any am-bovonana.
aivetinakely
42.
Sima mitsoka afo, ka ny lavenona no miavovona aloha.
aivetinakely
43.
Tain'alika ka ny avo ihany no tovonana.
niryna
44.
toy ny soron'afon'adala: ny aloha tsy levona, ny aoriana asesika ihany
latina
45.
Ny zavona no manamaizina ny mazava.
latina
46.
Miraparapa ohatra ny olona tsy misy maso ka tafintohana mitatao vovonana
razooz
47.
Mikopa-damba anaty zavona, manao izay tsy ifankahitana.
jentilisa
48.
Fanasina va aho ka ho levona vetivety?
McFy
49.
Toy ny trano vaky vovonana, ka mitondra teny mivoaka
hery
50.
Aza manao fitia mifono avona
hery
51.
ny alahelo toy ny vary an-tsompitra; ka ahafahana iray fatambary isan'andro, dia ho levona ihany ny farany.
jentilisa
52.
Toy ny trano vaky vovonana ka mitondra teny mivoaka
hery
53.
Donak'afon'Analakely: avy hatrany dia any am-bovonana
jentilisa
54.
toy ny trano vaky vovonana ka mitondra teny mivoaka.
ftma
55.
Miara-dia samy miavona ka ny eo aloha tsy miandry, ny ao aoriana tsy miantso
Avahi
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.017