Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe valala
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
valala
Hampiditra ohabolana
31.
Aza mifanipaka anatiny tahaka ny valala an-karona.
aivetinakely
32.
Valala ela nanidinana folak'elatra: raha mahafoy ahy mba foiko
latina
33.
Ny valala misy rahate, ny mpilaza mahay koa
latina
34.
Hianareo no natao valala fiandry fasana, vorompotsy tsy mandao omby.
latina
35.
Ny valala tsy in-droa mandry am-bavahady
latina
36.
valalan'alika, ny tompony aza tsy tia
latina
37.
Valala iray ifanapahana
FRanaivo
38.
valala manidina ka asiana sira
herikely
39.
Vitsika nitondra valala: ny kibo hasiana tsy misy fa madilana ; ny deraderany no tsy toha.
soanja
40.
Vitsika nahazo valala: zakan'ny aina, fa tsy omby ny vava.
soanja
41.
Toiny valalan'alika ka ny tompony aza tsy tia
rafozanasket
42.
Valala iray ifanapahana.
ariel
43.
Valala an-tany mena, na dia tapaka elatra aza, tsy lany paika
zouzou
44.
Valala eny an-danitra ka asiana sira
hery
45.
Toy ny valala voatango ka very fanahy mbola velona
mandrindra
46.
Valala an-tany mena na tapak'elatra aza tsy lany pika.
mandrindra
47.
valalan'amboa: tanora mitsipika, antitra mitsipika.
jentilisa
48.
Valala tsy ampoky ny ahitra ka mifiaka ny antsoro maina.
jentilisa
49.
Mahaiza manararaotra fa ny valala tsy indroa mandry am-bavahady
JMR
50.
Ny valala tsy indroa mandry am-bavahady
hery
51.
Valala tsy azo tsy atolo-jaza!
jentilisa
52.
Valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia
jentilisa
53.
Izay mena valala, izay tiana malala
jentilisa
54.
Izay mena valala izay tiana malala
vale
55.
Tandremo fa ny valala tsy in-droa mandry am-bavahady
cielbleu
56.
Rafotsibe nisambo-balala, ny valala tsy azo, ny andilana tapaka.
robinhood
57.
Valala voatango ka very fanahy mbola velona.
lanto
58.
Vitsika nahazo valala, tonga ny entana fa ny vava no tsy omby
hery
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0171