Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe valala
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
valala
Hampiditra ohabolana
1.
mifanipaka toy ny valala an-karona
RIJA08
2.
mifanipaka toy ny valala an-karon
RIJA08
3.
Boka nisambotra valala, raha azoko iny ataoko manemaniny.
RIJA08
4.
Ny valala misy, ny mpilaza koa mahay
nalsonrazakariasa2015
5.
Ny valala tsy azo raha tsy andriana ilika
OZ16
6.
Valala iray aza ifanapahana
OZ16
7.
Ny valala vôna agn'Isandra ko agnareo fa miady fagnendezana
OZ16
8.
Mifampitsipaka toy ny valala an-karona,ny tafakatra indray no itsahina
sylvoalias
9.
Ody valalan'ny tsy mahay, ka voky dia miala
yveratsimb
10.
Lava hadalana ohatra ny valalan' amboa : kely mitsipaka, lehibe mandady
yveratsimb
11.
valala mbola an-danitra ka asian-tsira
yveratsimb
12.
Valala ela nanidina folak’elatra: raha mahafoy ahy mba foiko.
itaramasoandro
13.
Valalan 'alika ka ny tompony aza tsy tia.
niryna
14.
Maro ny valala fa ny ambolo no tsara soratra, maro ny omby fa ny sada no meva.
soanja
15.
Ao ihany ny takatra nihinana ny valala sy ny vano nitsaingoka ny sahona.
soanja
16.
Zana-valalagna tsy adigno lanitra. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
17.
Adala toa valalan'amboa, mitsipika mandrak'antitra.
aivetinakely
18.
Valala akaiky fahafatesana ka ny mianika bozaka sisa fomban-drazana.
aivetinakely
19.
May tratra tahaka ny valala nitanin'andro ambony vato, ny sisa no tandremana.
aivetinakely
20.
Valala mitafa ambony vato, ny kibo may, ny resaka tsy azo.
aivetinakely
21.
Valala eny am-panidinana, koa hoe asiko sira, asiko sira
king58
22.
Valalanamboa: tanora mitsipika, antitra mitsipika
kanto1
23.
Aza manao toy ny valalan'amboa ka na efa antitra aza mitsipika ihany.
aivetinakely
24.
Lany fika toy ny banga mitsako valala, haloa: moa ny raha matsiro, hatelina : matahotra sao kenda.
sylvoalias
25.
Valala iray hifanapahana
niryna
26.
Mirorio toy ny valala an-karona.
ilanto
27.
Ny valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza
niryna
28.
Maty an-tanana toy ny valala samborim-boka
niryna
29.
Mifanimpaka an-toerana toy ny valalan-karona
rtol
30.
Na ny valala aza hono tsy azo raha tsy andriana ilika.
aivetinakely
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0171