Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe valala
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
valala
Hampiditra ohabolana
1.
Ny valala misy, ny mpilaza koa mahay
nalsonrazakariasa2015
2.
Ny valala tsy azo raha tsy andriana ilika
OZ16
3.
Valala iray aza ifanapahana
OZ16
4.
Ny valala vôna agn'Isandra ko agnareo fa miady fagnendezana
OZ16
5.
Mifampitsipaka toy ny valala an-karona,ny tafakatra indray no itsahina
sylvoalias
6.
Ody valalan'ny tsy mahay, ka voky dia miala
yveratsimb
7.
Lava hadalana ohatra ny valalan' amboa : kely mitsipaka, lehibe mandady
yveratsimb
8.
valala mbola an-danitra ka asian-tsira
yveratsimb
9.
Valala ela nanidina folak’elatra: raha mahafoy ahy mba foiko.
itaramasoandro
10.
Valalan 'alika ka ny tompony aza tsy tia.
niryna
11.
Maro ny valala fa ny ambolo no tsara soratra, maro ny omby fa ny sada no meva.
soanja
12.
Ao ihany ny takatra nihinana ny valala sy ny vano nitsaingoka ny sahona.
soanja
13.
Zana-valalagna tsy adigno lanitra. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
14.
Valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza
niryna
15.
Adala toa valalan'amboa, mitsipika mandrak'antitra.
aivetinakely
16.
Valala akaiky fahafatesana ka ny mianika bozaka sisa fomban-drazana.
aivetinakely
17.
May tratra tahaka ny valala nitanin'andro ambony vato, ny sisa no tandremana.
aivetinakely
18.
Valala mitafa ambony vato, ny kibo may, ny resaka tsy azo.
aivetinakely
19.
Valala eny am-panidinana, koa hoe asiko sira, asiko sira
king58
20.
Valalanamboa: tanora mitsipika, antitra mitsipika
kanto1
21.
Aza manao toy ny valalan'amboa ka na efa antitra aza mitsipika ihany.
aivetinakely
22.
Lany fika toy ny banga mitsako valala, haloa: moa ny raha matsiro, hatelina : matahotra sao kenda.
sylvoalias
23.
Valala iray hifanapahana
niryna
24.
Ny valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza
niryna
25.
Mirorio toy ny valala an-karona.
ilanto
26.
Ny valala tsy an-tanana hono tsy atolo-jaza
niryna
27.
Maty an-tanana toy ny valala samborim-boka
niryna
28.
Mifanimpaka an-toerana toy ny valalan-karona
rtol
29.
Na ny valala aza hono tsy azo raha tsy andriana ilika.
aivetinakely
30.
Valala tsy an-tànana tsy atolo-jaza.
aivetinakely
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0641