Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe voan
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
voan
Hampiditra ohabolana
31.
Voanemba nipitika an-joro, tsy very fa maka toerana
elyzo
32.
Aza mitangorina ohatran'ny voangory ritra
niryna
33.
Sandra lo ro voan'angady.
sylvoalias
34.
Ny anatra hono hoe toy ny voankazo an'ala ka ny mamy atelina fa mangidy kosa aloa.
sylvoalias
35.
Raha izaho no namely totondry tsy henoko ny fidobony, fa raha izaho no voan'ny tehamaina, henoko ny firotsony
niryna
36.
Voanemba mipitika anjoro, tsy very fa maka toerana
rtol
37.
Tsy voanemba aho ka hipitika anjoro
niryna
38.
Voanemba mitsipika anjoron-trano, tsy very fa mihaona amin'ny namany
aivetinakely
39.
Ny voangaly no maty amin'ny hazotokana, fa ny lehilahy tsy mipetraka amin'ny vehivavy iray.
aivetinakely
40.
Matoky tena be lava-body ka mitelina voan-javoka.
raiders
41.
Na maro aza ny vorona ny goaika no nihinana ny voanjo.
niryna
42.
Aza atao fitia voangivy, mbola lavitra ihany ka kivy.
niryna
43.
voly voanjon-dRakaretsaka: ny an'ny tena tsy vita, ka ny an'olona no karetsahina
latina
44.
Akondro (voany) mahia latsaka an-doha sola, ny tanora indray no mamoafady ny antitra
latina
45.
Sakay sy voantsiperifery: ka samy mitondra ny ngidiny ho azy
latina
46.
aza mitangorona toy ny voangory ho ritra
latina
47.
aza atao fitia voangivy, mbola lavitra ihany ka kivy.
latina
48.
Ny halavoana tsy maha lehibe
latina
49.
Hafa gny ilavoany gny jà, izy gny maty midà
SENATERA
50.
Tsy namboleko voànio, halako ty raha ela
roscarb
51.
Ny hazo no voatoratoraka dia noho ny voany
marozevo
52.
ody varatry Mompera ka de ny aza voany iany
tovolahy007
53.
Manantena ny haben'ny lava-body ka mitelina voanjavoka
dadou
54.
Jerem-potsiny ohatry ny tany nahalavoana.
hery
55.
te-hoderain'ny goaika ka mamboly voanjo ririnina
jentilisa
56.
Ataovy toy ny voankazo an'ala, ny mamy atelemo, ny mangidy aloavy.
jentilisa
57.
Katsaka, tsaramaso, voanjobory...hanina harivariva mampatory
jentilisa
58.
Banga mihinana voanjobory, any an-kibo vao manao kanety
JMR
59.
Ny sikidy ratsy tsy amonoan-tena, ny sikidy soa tsy iravoana.
ftma
60.
maso voan-tsakay ka ny sisa no tsy atao intsony.
jentilisa
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0171