Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe amban
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
amban
Hampiditra ohabolana
61.
Monina ambanin'ny saokan'ny hendry
latina
62.
fery ambany maso, sady maharary no maha menatra
latina
63.
Njola mangala-katsaka: mody tsy mijery, kanjo mitily ny main-dambana.
latina
64.
Aza mifonoka ambanin'ny maimbo
latina
65.
Mikamban-dratsy toa gadralava
latina
66.
Tsihy be lambanana ny ambanilanitra
latina
67.
Ny lamban'ny matory irakofan'ny mahatsiaro.
lanto
68.
Ny hendry ihany no anarina fa raha ny adala no tenenina ny lambany no ariany
Moundzee
69.
Lamban'akoho ka faty no isarahana
FRanaivo
70.
Rano ambany tanĂ gny hava, ndre ririny gny tagna tsy ririny gny tomboky
SENATERA
71.
aza varimbarian'ny lavitra ka tsy mahita ny eo ambany maso
tovolahy007
72.
Ady voay, mamban'ny Karijavola ka ny voamasony ihany no potsirina.
RALANTO
73.
Ny alika jamban'ny taolana fa ny olona jamban'ny vola
Ingahy
74.
Varivarian'ny lavitra ka tsy mahita ny ambanin'ny maso.
ariel
75.
Namintana amalona nahazo do, samy vandambandana fa tsy izy
Viky
76.
Mpatsaka mahay mikabary, hendry ihany fa ambanin'ny tany.
jentilisa
77.
Boka mangata-pitahina, Andriamanitra ivavahana indray no ambanana totohondry.
panjakely
78.
Aza atositosika ny omby botry fa tsy fantatra izay hanao kambana
radox
79.
Varivarin'ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso
doum
80.
Ambany maso tsy hita tahaka ny solomaso anaovana tadiavina.
jentilisa
81.
Sitrapon-dRalakamisy ny nanambadiany ambaniandro
JMR
82.
Ny fanambadiana toy ny lamban'akoho ka faty no isarahana
JMR
83.
kodiaran-tsarety ny fiainana misy ambony misy ambany
zanita
84.
Varimbarian'ny lavitra ka tsy mahita ny eo ambany maso!
vale
85.
Hiragasin'ambany tsena ka izay resy tsy akoraina izay mandresy tsy hobiana!
vale
86.
Fitia lamban'akoho, aina no fetra
LouAnne
87.
Avo fitoetra Andriamanitra fa ambany fijery
Vetso
88.
Ady vomangan'i Kirijavola ka tonga dia ny voamasony no potsirina (Ady voay ama-mamban'i Kirijavola ka avy dia ny voamasony no potsirina)
hery
89.
aza atositosika ny ondry botry fa tsy fantatra izay hanao kambana
jentilisa
90.
Tsy ambony tsy ambany toy ny lohalik'alika
vale
1
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.021