Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe fitiava
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
fitiava
Hampiditra ohabolana
61.
Misoko mangina toa ranom-panala ny fitiavana, an-koditra vao mahangoly.
aivetinakely
62.
Sora-damba antsena ny fitiavana, ka samy mifidy ny tiany.
aivetinakely
63.
Aza atao toy ny fanjaibe hazo ny fitiavana, very tsy mampamoifo, hita tsy mahafaly.
aivetinakely
64.
Aza matoky fitiavana ka hitanjaka imasom-bady.
lanto
65.
Ny fitiavana toy sora-jandiana ka samy mifidy izay tiana.
niryna
66.
Ny fitiavana toy ny lamban'akoho ka faty no hisarahana.
niryna
67.
Ny fitiavana toy ny lambamena ka faty no hisarahana.
niryna
68.
fitiavana vita sedra fitia mandra-maty!
jolie
69.
Aza atao fitiavan-jaza ka androany aho tia, rahampitso aho bedin'ny dada, afaky ny ampitso aho tia olon-kafa.
kofaakama
70.
ny fitiavana tahaka ny afo: raha lalaovina mandoro, raha koloina mahamasa-bary
kofaakama
71.
fitiavan'alika ka fifandroritana no hiafarany
nalaina
72.
lany andro mifampidinika tahaka ny saka manao fitiavana
nalaina
73.
ny fitiavana maloto toy ny lomotra ambony vato ka raha diavina mandavo
ndixa
74.
I zoky ve no manitra voninkazo sa i zandry no manitra ravinkazo no manitra andriana izany trano? Tsy i zoky no manitra ravinkazo na i zandry no manitra ravinkazo fa ny fitiava-namana no betsaka ka manitra andriana izany trano!
bozycate
75.
Ny fitiavana dia tahaka ny vonin-draozy mivelatra maraina ka izay miraparapa haka azy dia voatsindrona
bobone
76.
toy ny fitiavana tsy hita fototra ka mahafanina ny tsy tia
Rapha
77.
Aza manao fitiavana toy ny an'ny havana fa hena-maso no be diabe
Maheriloha
78.
Fitiavana tsy raikitra tsy atao hanimba fihavanana.
ariel
79.
Ny fitiavam-bola no volombodin'ny mosavy!
jefra
80.
Ny fitiavana tahaka ny afo ka izay milalao azy ihany no may
doum
81.
Ny fitiavam-bola no volombodin'ny mosavy
hery
82.
Aza manao fitiava-molotra tezitra vao mifanantona
vale
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.034