Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe fitiava
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
fitiava
Hampiditra ohabolana
61.
Ny fitiavana tahaka ny ketsa ka mora afindra.
aivetinakely
62.
Misoko mangina toa ranom-panala ny fitiavana, an-koditra vao mahangoly.
aivetinakely
63.
Sora-damba antsena ny fitiavana, ka samy mifidy ny tiany.
aivetinakely
64.
Aza atao toy ny fanjaibe hazo ny fitiavana, very tsy mampamoifo, hita tsy mahafaly.
aivetinakely
65.
Aza matoky fitiavana ka hitanjaka imasom-bady.
lanto
66.
Ny fitiavana toy sora-jandiana ka samy mifidy izay tiana.
niryna
67.
Ny fitiavana toy ny lamban'akoho ka faty no hisarahana.
niryna
68.
Ny fitiavana toy ny lambamena ka faty no hisarahana.
niryna
69.
fitiavana vita sedra fitia mandra-maty!
jolie
70.
Aza atao fitiavan-jaza ka androany aho tia, rahampitso aho bedin'ny dada, afaky ny ampitso aho tia olon-kafa.
kofaakama
71.
ny fitiavana tahaka ny afo: raha lalaovina mandoro, raha koloina mahamasa-bary
kofaakama
72.
fitiavan'alika ka fifandroritana no hiafarany
nalaina
73.
lany andro mifampidinika tahaka ny saka manao fitiavana
nalaina
74.
ny fitiavana maloto toy ny lomotra ambony vato ka raha diavina mandavo
ndixa
75.
I zoky ve no manitra voninkazo sa i zandry no manitra ravinkazo no manitra andriana izany trano? Tsy i zoky no manitra ravinkazo na i zandry no manitra ravinkazo fa ny fitiava-namana no betsaka ka manitra andriana izany trano!
bozycate
76.
Ny fitiavana dia tahaka ny vonin-draozy mivelatra maraina ka izay miraparapa haka azy dia voatsindrona
bobone
77.
toy ny fitiavana tsy hita fototra ka mahafanina ny tsy tia
Rapha
78.
Aza manao fitiavana toy ny an'ny havana fa hena-maso no be diabe
Maheriloha
79.
Fitiavana tsy raikitra tsy atao hanimba fihavanana.
ariel
80.
Ny fitiavam-bola no volombodin'ny mosavy!
jefra
81.
Ny fitiavana tahaka ny afo ka izay milalao azy ihany no may
doum
82.
Ny fitiavam-bola no volombodin'ny mosavy
hery
83.
Aza manao fitiava-molotra tezitra vao mifanantona
vale
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4792