Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Les proverbes contenant mila
Liste des proverbes, contenant
mila
Insérer un proverbe
61.
Mody milaza tsy miady kanefa ny kobay an-kelika ihany.
niryna
62.
Milaza tany Namèhana kanefa tsy mitondra voasary ho an-jaza.
aivetinakely
63.
Milaza hoe tsy tia, tsy tia ;kanefa tsy manidy trano.
niryna
64.
Tano ny azo fa sarotra ny mila.
niryna
65.
Mila dera amin'ny amboa ka taolana maina no iambozonana
felana
66.
Rafotsibe manandrana anana: tsy milaza ny hafiny, fa ny masony mangarika ihany
latina
67.
boka mitohy rofia, ka manasaritaka ny efa milamina
latina
68.
botry milaoka, ka tambavian-koman-kena
latina
69.
aza mila lolotr'amanona amin-kavana
latina
70.
Tsy misy mivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany; fa ny harena mila vintana, ka raha tsy anjara, , tsy tonga.
latina
71.
aza mila voa tsy ary, toy ny mpisikidy mampandihy ny marary
latina
72.
Miaramila be nify ka tsy mandalo katsa-maina
herikely
73.
Hano ny hanina fa ny harena mila vintana
herikely
74.
banga mitelina voajobory an-kibo milalao kanety
caloh
75.
Ny endriky ny olona dia milaza ny miafina ao am-pony
Onira
76.
Ny hevitra terabary ka samy milaza izay ao am-pony
murier
77.
Mamo mananiky hazo, mila fahasahirana!
roscarb
78.
Hoy ty antimo any hoe: tano ny azo fa sarotse ty mila
roscarb
79.
ry iano mila ampela, sira araraky an-driaky!
roscarb
80.
Tsy mety raha tsy mena-milahatra toy ny nify sosona
zouzou
81.
Tsy mila hatotongana ny harona vao hatao hoe tsy misy.
ftma
82.
Mpikarama milanja rofia: manenjan-tsandry amin'ny an'olona
ftma
83.
Ny fitiavana tahaka ny afo ka izay milalao azy ihany no may
doum
84.
Kobokoboin'ny marina ka milaza tsy hanotaniana
doum
85.
Isika hanateran-kira indray ve no milaza tsy mahay
doum
86.
Mpanankarena mahihitra: maty vao misy milanja
jentilisa
87.
Aza manao fo milafin-karena
hery
88.
Aza milaza atsanga tsy aman'orana
jentilisa
89.
Akory ilay malaina: asaina miasa lohataona manao hoe vaky lafika aho, asaina manosy fahavaratra milaza ho mararin'ny tazo, avela an-tanàna tsy mahamasa-kanina.
jentilisa
90.
Aza mila lolotr'amalona amin-kavana
hery
1
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0175