Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
Vady
Hampiditra ohabolana
61.
antitra ampijoroana ohatrin ny anamalao lavitr olona
kiriah
62.
Njola maso tsara vady ka matahotra ny tia tazatazana
kiriah
63.
Ratsy tarehy maka vady ka ny anaran-dray no enti-mangataka
kiriah
64.
manalasala toy ny vady kely reny,hovonoina kely rahateo, avela am'zao basivava
tsiafa
65.
Aza maika ohatra ny boka hanambady!
Razatovo
66.
Vady tsy vita fômba ka raha tromban'Amboa, avy tsy kahiana
hery
67.
Kely ila nangala-badin'olona, nahazo ihany fa tsy afaka nitsoaka.
andokely
68.
Voadinika lava tahaka ny vady vao, mandeha voatsikilo, mipetraka voara-maso.
aivetinakely
69.
Zanak'olona tsy vadina toa soa.
aivetinakely
70.
Maty vady mitokiky, mitsinjaka ihany rehefa manitsaka afo.
aivetinakely
71.
Efa lany andro ny vady amboarina.
aivetinakely
72.
Vadivao mifanena amin-drafozana, sahiran-tsaina ny fomba hiantsoana azy.
aivetinakely
73.
Vady notoloram-pahefà na, ka manitsa-boninahitry ny rafozana.
aivetinakely
74.
Miambovona tahaka ny vehivavy vita fomba, ka manadino ny adidy miandry.
aivetinakely
75.
Aza manambady mamolava, fa rehefa lany ny hareny, hamidiny mbamin'anaka.
aivetinakely
76.
Aleo vady manam-panahy toy izay vehivavy tsara tarehy.
aivetinakely
77.
Izay tsara vady mahay miresaka, fa ny vady mpamitaka toa ny afo antampon-doha ka sady mandoro no mahafaty.
aivetinakely
78.
Vady vita fomba, vita fatotra fa tsy very safidy.
aivetinakely
79.
Manambady jamba ka ny safosafo no amenoana ny banga
aivetinakely
80.
Miova sata miova andriana, manova vady manova filan-kevitra.
aivetinakely
81.
Manary vady tanora manome zara ho an'ny sasany.
aivetinakely
82.
Tsara vady mianjaika, miomàna fa ho be fahavalo.
aivetinakely
83.
Ny vady jerijery, ny rafozana fanambina.
aivetinakely
84.
Faniriana ny an-dRaivotatamo : raha mba vadiko, hono, Rainizafinime !
ontsy
85.
Vady tsy lasam-bodiondry, sady tsy ara-dalàna no tsy toloram-pahefàna.
aivetinakely
86.
Ny vady filàna hevitra , ny namana mpanavotra amin'ny sarotra
aivetinakely
87.
Adala ny manina ka tompom-bady no hafarana.
aivetinakely
88.
Tsy misy mahamenatra mihoatra ny mitari-bady tsy lasam-bodiondry
aivetinakely
89.
Miatranatrana toa vady vao.
ilanto
90.
Tsy misy zava-mahamenatra mihoatra ny mitari-bady tsy lasam-bodiondry.
aivetinakely
1
2
3
4
5
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123