Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
Vady
Hampiditra ohabolana
91.
Maimay tahaka ny boka hanam-bady, kanefa na ny tànana hanafosafo tsy misy.
aivetinakely
92.
Ny manary vady tanora manome ny tsy manana
aivetinakely
93.
Adala ny manina ka ny tompom-bady no hafarana.
aivetinakely
94.
Tezera-manatona tahaka ny vady aman-janaka
aivetinakely
95.
Aza matoky fitiavana ka hitanjaka imasom-bady.
lanto
96.
Raha tiana ny vady, ny rafozana no tsinjovi-mandeha
Aotsara
97.
Aza mba mitonatonana toy ny vinato tsy mahare fosa.
Swin
98.
Tiavo ny vady fa raha tafitohina hareniny
Swin
99.
Haratsifo, tsy agnanteram-baly
SENATERA
100.
Izay maharitra vadin' andriana fa izay tsy maharitra vadin' ikotokely.
vahatra22
101.
Ny tokantrano fihafiana
vahatra22
102.
tsy ampy tsy lany ohatran'ny vady ao an-trano
miara
103.
maty be tampon-kindy, ka voninahitrin'ny tompombady
miara
104.
Aza atao toy ny sotrobe hazo ka hita tsy mahafaly, very tsy mampalahelo
naritsimba
105.
Aza atao toy ny sotro be hazo ny vady, ka hita tsy mahafaly very tsy mampalahelo
naritsimba
106.
raha tina ny vady ny rafozana no tsindrovi- mandeha
caloh
107.
aza midera vady mahay mandihy fa ao ny sorony hilaza azy
tia
108.
Vehivavy nampiakarin-dahy, hanao no aleha
RABEGASY
109.
ny teny toy ny salaka ka ny tompony ihany no afatony
nanette
110.
Mpivady mifanara-tsaina ka lany hatramin'ny akoho mikotrika
laolo
111.
vitam-bady tsy vitan-kavana
poon
112.
Manambady traky nify, atao eo aloha toa mitsikitsiky amin'ny hafa atao aoriana toa hanaikitra.
andhy
113.
Tsy misy malahelo toy ny maty vady rehefa manitsaka androngo mitsinjaka ihany.
jentilisa
114.
Maimay hivady ka dodona hisaraka
zouzou
115.
Raha tsy mifanaja ho mpivady, aleo mifanaja ho mpianadahy
zouzou
116.
Tonga tsy miarahaba naman'ny tezitra lasa tsy manao veloma naman'ny sosotra
doum
117.
Ratsy vady ka malai-mody
jentilisa
118.
Mitranga matetika tahaka ny adin'ny mpivady
jentilisa
119.
ny anambadian-kiadanana
jentilisa
120.
ny anambadian-kiterahana
jentilisa
Voalohany
Mialoha
2
3
4
5
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012