Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tany
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tany
Hampiditra ohabolana
91.
Lolompon-kovalahy, tsy miseho tsy ratsy tany
niryna
92.
Lohataon-diavolana, izay miherika hitany.
aivetinakely
93.
Mamantana tany foana tahaka ny havandra ririnina.
aivetinakely
94.
Milaza tany Namèhana kanefa tsy mitondra voasary ho an-jaza.
aivetinakely
95.
Mamantana tany foana tahaka ny havandra ririnina
aivetinakely
96.
Fatra pitady izay tany tsy misy fasana ka sendra izay mihinana olona
niryna
97.
nahoana no tompon-tany mantsaka ranom-potaka?
latina
98.
Mandia tany naleha hoatra ny fanoron'ny tsy mahay
latina
99.
bokalahy lavo an-tany mena, ka tafarina vao mingoso anabavy
latina
100.
jamba mitanin'andro: finaritry ny hafanany, fa tsy mahita ny famirapiratany
latina
101.
Mitolona am-bovon-tany, ka samy mavo
latina
102.
Lolompon-kovalahy, tsy miseho tsy ratsy tany
latina
103.
Manaova soa ampiantany, fa misy hiankinana, ary manaova soa vato, fa misy hipetrahana.
latina
104.
tany mainty tsy mba Vazimba
latina
105.
Ny tany vadiben-janahary: mihary ny velona, manotrona ny maty
latina
106.
Sahiran-tsaina toy ny saka ambony vatolampy, ny hevitra betsaka fa ny tany hatototra no tsy misy
latina
107.
ny lanitra tsy ferana, ny masoandro tsy zehena, ny tany tsy refesina
mbelo
108.
ny lanitra tsy ferana, ny masoandro tsy zehena, ary ny tany tsy refesina
mbelo
109.
Fatra-pitady ny tany tsy misy fasana, ka sendra izay homana olona
tia
110.
Vorom-bazaha misasa, ka samy manao izay saim-pantany.
soanja
111.
Nosy nihita: nihitany vezo fa tsy nihitan'olo hafa
roscarb
112.
Tsy an-tany tsy an-kitsely
roscarb
113.
valala an-tany mena : na dia tapaka elatra aza, tsy lany paika
zouzou
114.
Mpatsaka mahay mikabary, hendry ihany fa ambanin'ny tany.
jentilisa
115.
Trandraka milevina an-tany mena, volon-tany no arahina
lolobainina
116.
Jerem-potsiny ohatry ny tany nahalavoana.
hery
117.
Valala an-tany mena na tapak'elatra aza tsy lany pika.
mandrindra
118.
Anarantany no ao Ambohimanambola fa ny manana ihany no manana
mandrindra
119.
Adala mandoro trano, ara-dalàna ny firehetany
Mandefitra
120.
Aleo manotanitany fona toy izay miteniteny foana
doum
Voalohany
Mialoha
2
3
4
5
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0174