Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tany
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tany
Hampiditra ohabolana
91.
Ny tany lavitra andriana lava volo.
aivetinakely
92.
Tokatranom-boalavo, samy mikepoka ny hitany.
aivetinakely
93.
Maka volon-tany tahaka ny trandraka milevina an-tanimena.
aivetinakely
94.
Lolompon-kovalahy, tsy miseho tsy ratsy tany
niryna
95.
Lohataon-diavolana, izay miherika hitany.
aivetinakely
96.
Mamantana tany foana tahaka ny havandra ririnina.
aivetinakely
97.
Milaza tany Namèhana kanefa tsy mitondra voasary ho an-jaza.
aivetinakely
98.
Mamantana tany foana tahaka ny havandra ririnina
aivetinakely
99.
Fatra pitady izay tany tsy misy fasana ka sendra izay mihinana olona
niryna
100.
nahoana no tompon-tany mantsaka ranom-potaka?
latina
101.
Mandia tany naleha hoatra ny fanoron'ny tsy mahay
latina
102.
bokalahy lavo an-tany mena, ka tafarina vao mingoso anabavy
latina
103.
jamba mitanin'andro: finaritry ny hafanany, fa tsy mahita ny famirapiratany
latina
104.
Mitolona am-bovon-tany, ka samy mavo
latina
105.
Lolompon-kovalahy, tsy miseho tsy ratsy tany
latina
106.
Manaova soa ampiantany, fa misy hiankinana, ary manaova soa vato, fa misy hipetrahana.
latina
107.
tany mainty tsy mba Vazimba
latina
108.
Ny tany vadiben-janahary: mihary ny velona, manotrona ny maty
latina
109.
Sahiran-tsaina toy ny saka ambony vatolampy, ny hevitra betsaka fa ny tany hatototra no tsy misy
latina
110.
ny lanitra tsy ferana, ny masoandro tsy zehena, ny tany tsy refesina
mbelo
111.
ny lanitra tsy ferana, ny masoandro tsy zehena, ary ny tany tsy refesina
mbelo
112.
Fatra-pitady ny tany tsy misy fasana, ka sendra izay homana olona
tia
113.
Vorom-bazaha misasa, ka samy manao izay saim-pantany.
soanja
114.
Nosy nihita: nihitany vezo fa tsy nihitan'olo hafa
roscarb
115.
Tsy an-tany tsy an-kitsely
roscarb
116.
Valala an-tany mena, na dia tapaka elatra aza, tsy lany paika
zouzou
117.
Mpatsaka mahay mikabary, hendry ihany fa ambanin'ny tany.
jentilisa
118.
Trandraka milevina an-tany mena, volon-tany no arahina
lolobainina
119.
Jerem-potsiny ohatry ny tany nahalavoana.
hery
120.
Valala an-tany mena na tapak'elatra aza tsy lany pika.
mandrindra
Voalohany
Mialoha
2
3
4
5
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.018