Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tany
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tany
Hampiditra ohabolana
1.
Rafotsibe nahandro sakafo, mampiseho ny talentany sy ny traikefany.
Angonoka
2.
Rafotsy be kenda-bomanga ka napangain`ny zava-bitany
RIJA08
3.
Ny fanambadiana toy ny lalan-tany, fahavaratra tsy ialan'ny fotaka, main-tany misy vovoka.
Angonoka
4.
Be fandrahonana ohatra ny ampanga, mbola any an-tany dia mamonkona totohondry!
hery
5.
Vady tsy tiana ianteherana tany ikafarana ilevenana.
Tambanivohidahy
6.
Ny Fahasambarana Eto An_tany Dia Mandalo Agnatine Fotoana Vitsy
Avoss
7.
tsy amoron'ny alika ny matory ambanin'ny trano; fa tsy fahavitany trano
ramiandrisoa_jean_marc2018
8.
Ny tany no tsy asian-dratsy, ny iverenana
herrand_miri
9.
Noana manontany lera, voky manontany ondana.
Lahimatoa
10.
Ny katsaka no manao baby telo, ny tany aniriany no lonaka
haj.hery
11.
Solika raraka an-tany, tsy tonga mba hamelona fa hamono.
dr
12.
Aza manontany basy amin'ny Anglisy
OZ16
13.
Ny tanin'andriana aza onenana ka ny satany ve no tsy harahina
OZ16
14.
Bevata fahatany ohatra ny voatavo antay
1406
15.
Tifi-danitra,nahavoa,tany, tratry,ny, tsy,nampoizina
ralovasong
16.
Afa-draorao toy ny tany dilatra nahafaham-bato.
BEDOGAIGY
17.
Ombilahy be vozona ka tsy mifidy tany hiadiana.
aivetinakely
18.
Lanilany fahatany ohatran'ny volan'ny mpisotro toaka
MATOKYAH
19.
Amboa mivahiny an-tany tsy fantatra, tonga tsy misy mpitsena, lasa tsy misy mpanatitra, atoandro tsy misy mpangoraka, harivariva misy mitoraka.
oely89
20.
Manaova soa ampiantany, fa misy hiankinana ; ary manaova soa vato, fa misy hipetrahana.
yveratsimb
21.
Trandraka milevina, ny volontany tsy ariana.
aivetinakely
22.
Tsy mba tsiriry vorona, ka manifi-drano dia lasa, fa tsiriry ahitra, ka lo eo an-tany naniriany
yveratsimb
23.
Kalon' antitra ka tany no farany
yveratsimb
24.
Aleo manontanitany foana hihomehezana, toy izay manaonao foana hitezerana
yveratsimb
25.
Tsy manan-kamidy ka manontany, vary dimiventy ka avezivezy
yveratsimb
26.
Tsy ny tany no fady, fa ny vavan'ny olona
yveratsimb
27.
Akoho mihehy tany, tsy haitraitra fa famerena-trosa.
aivetinakely
28.
Andriamanitra tsy manontany izay mety ho vitanao na tsy vitanao fa kosa mijery ny fahavononao Izy.
niryna
29.
Trandraka mivelavina an-tany mena, volon-tany no arahina
niryna
30.
Vilany borin'Amboatany;ariana tsy foy,avela manebaka ny trano
niryna
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0197