Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe omby
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
omby
Hampiditra ohabolana
121.
Manalasala toa rafozan-doza : omena ny manta, tsy omby vilany, omena ny masaka, sisa tsy lany
zouzou
122.
Faran'ny omby ny hena, faran'ny teny ifanatrehana
mandrindra
123.
Aza atositosika ny omby botry fa tsy fantatra izay hanao kambana
radox
124.
Aza mitsentsitra toa dinta homan'omby
jentilisa
125.
Aleo henjehin'ny omby masiaka toa izay henjehin'ny eritreritra
doum
126.
raha maty aho matesa rahavana, raha maty rahavana matesa ny omby, .....
doum
127.
Tain'omby mivadika aza tsisy mpandray
doum
128.
Atsipy ny tady eny atandroky ny omby, atsipy ny teny eny am-po ny mahalala
doum
129.
mpirahalahy mizara dian'omby, tsy vaky fa mitriatra.
jentilisa
130.
Aleo enjehin'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny eritreritra
JMR
131.
Lalitra mitaingina omby, ny eritreritra betsaka fa ny hoenti-manana manify
JMR
132.
Mamitaka ny mividy omby anaty ambiaty.
jentilisa
133.
Dian'aomby maro tagnana ny dian'ny aloha arahiny afara
zanita
134.
Ny omby indray mandry tsy indray mifoha
JMR
135.
Aza manao toton'omby bory
McFy
136.
Ny omby mahia tsy lelafin'ny namany
mandrindra
137.
Antoandro faka ronono ka nilaozan'ny omby nihahaka
hery
138.
raha avy ny loza, patsa iray tsy omby vava, tain'akoho mahatafintohina.
jentilisa
139.
Zanaky ny omby masiaka tsy mba matahotra ny reniny
jentilisa
140.
Raha maty aho matesa Rahavana, raha maty Rahavana, matesa Raomby
JMR
141.
Imandridrano no matavy omby ka Analamanga no telo saoka
jentilisa
142.
ny zanak'omby tsy ampianarin-domano.
jentilisa
143.
Mpiandry omby volavita: tsy tompony fa mpamerin-doha.
ftma
144.
Mivarotra omby anaty ambiaty
ftma
145.
voa roa tahaka ny tain'omby natsentsina an-dava-bary
jentilisa
146.
Raha maty aho matesa rahavana, raha maty rahavana matesa ny omby.
jentilisa
147.
Tsy misy hianteherana toa bozaka, tanora sakafon’ny omby, antitra sakafom-patana
Avahi
148.
Atoandro fitery ronono ka ilaozan'ny omby mihahaka
jentilisa
149.
Miandry ondry zato, miambina omby arivo; ka tsy ilaozan'izay mania
Fanja1
150.
Aleo enjehin'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny eritreritra
vale
Voalohany
Mialoha
3
4
5
6
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0201