Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe omby
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
omby
Hampiditra ohabolana
121.
Aomby vavy tsy mitré, barea tsy teré
roscarb
122.
laha ho maty aho, matesa ry iano, laha ho maty ry iano, matesa ry aomby
roscarb
123.
Raha avy ny loza, patsa iray tsy omby vava
zouzou
124.
Mpiandry omby volavita : tsy tompony fa mpamerin-doha
zouzou
125.
manalasala toa rafozan-doza : omena ny manta, tsy omby vilany, omena ny masaka, sisa tsy lany
zouzou
126.
patsa iray tsy omby vava
diamondra27
127.
Faran'ny omby ny hena, faran'ny teny ifanatrehana
mandrindra
128.
Aza atositosika ny omby botry fa tsy fantatra izay hanao kambana
radox
129.
Aza mitsentsitra toa dinta homan'omby
jentilisa
130.
Aleo henjehin'ny omby masiaka toa izay henjehin'ny eritreritra
doum
131.
raha maty aho matesa rahavana, raha maty rahavana matesa ny omby, .....
doum
132.
Tain'omby mivadika aza tsisy mpandray
doum
133.
Atsipy ny tady eny atandroky ny omby, atsipy ny teny eny am-po ny mahalala
doum
134.
mpirahalahy mizara dian'omby, tsy vaky fa mitriatra.
jentilisa
135.
Aleo enjehin'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny eritreritra
JMR
136.
Lalitra mitaingina omby, ny eritreritra betsaka fa ny hoenti-manana manify
JMR
137.
Mamitaka ny mividy omby anaty ambiaty.
jentilisa
138.
Dian'aomby maro tagnana ny dian'ny aloha arahiny afara
zanita
139.
Ny omby indray mandry tsy indray mifoha
JMR
140.
Aza manao toton'omby bory
McFy
141.
Ny omby mahia tsy lelafin'ny namany
mandrindra
142.
Antoandro faka ronono ka nilaozan'ny omby nihahaka
hery
143.
raha avy ny loza, patsa iray tsy omby vava, tain'akoho mahatafintohina.
jentilisa
144.
Zanaky ny omby masiaka tsy mba matahotra ny reniny
jentilisa
145.
Raha maty aho matesa Rahavana, raha maty Rahavana, matesa Raomby
JMR
146.
Imandridrano no matavy omby ka Analamanga no telo saoka
jentilisa
147.
ny zanak'omby tsy ampianarin-domano.
jentilisa
148.
Mpiandry omby volavita: tsy tompony fa mpamerin-doha.
ftma
149.
Mivarotra omby anaty ambiaty
ftma
150.
voa roa tahaka ny tain'omby natsentsina an-dava-bary
jentilisa
Voalohany
Mialoha
3
4
5
6
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8581