Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe alan
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
alan
Hampiditra ohabolana
1.
Ny fanambadiana toy ny jiafotsy, vao tsy ialan-kasokasoka, tonta tsy ialan-dromoromo
aivetinakely
2.
Mpamosavy milevina amoron-dalana ka mahatantesa valin-kitsaka
sylvoalias
3.
Raha ny lalana no tian-ko tody, tsy jerin'ny mpanesy araiky fa jeriny omban'izay entiny.
Maminirinaheryz_
4.
Aleo Maty, Toy Izay Alan'olona
avoss Jah
5.
Ny hazo avo alan-drivotra.
myriah3
6.
Ny fitiavana vary ahahy ka maina vao alanona
Ajnal
7.
Ny adalan'olona ihomehezana fa ny adalan'ny tena tafian-damba
OZ16
8.
vazivazy ray andalana,miandrovazo laividalana
heriy
9.
Omby lahy nanonto vatolampy ka bory tandroka amin'ny adalany
kels
10.
Aza velarina eny amorondalana ny fitiavana fa hitsakitsahin'ny mpandalo
njrtkr
11.
Tafo tranon-reny tsy ambinina, Zanahary manafo ny ialany,izy manafo ny ilany
Nyavorakoto
12.
Zaza mivalana am-pandriana, mahavoa Ray mahavoa Reny.
seul110
13.
Adalan-kaotra ka zary hazaka.
BEDOGAIGY
14.
Midonaka tsy narehitra toy ny fakon' Andralanitra
dahfara
15.
Midonaka tsisy nandrehitra toy ny fakon' Andralanitra
dahfara
16.
Ny fandikan-dalàna rom-boay , zay masaky homa
ravelobe
17.
NY TSINY FANALAN'NY VAVA
dagomainty
18.
Ny vatolahy antampn-kavoana no arahabaina tsy mba mamaly, atao mbay lalana tsy mba mivolana.
aivetinakely
19.
"Zaro@làlana tokony alehany ny zaza,fana antitra aza izydia tsyhiala@'izany" (0habolana 22:6) (Mankàny @Jesosy Kristy)
manirii
20.
Fitia savony, tiana fa avalana rano
yveratsimb
21.
Manetsa vary mahalana, ka ny atao no alaina.
yveratsimb
22.
Ody valalan'ny tsy mahay, ka voky dia miala
yveratsimb
23.
Lava hadalana ohatra ny valalan' amboa : kely mitsipaka, lehibe mandady
yveratsimb
24.
Ny tsikalakalan-karena manam-pahalaniana, fa ny tsikalakalam-pihavanana tsy manam-pahalaniana
yveratsimb
25.
Ny fahafatesana lalan-kiraisana ihany fa tombon-dalana no an'ny lasa
yveratsimb
26.
Tafita aloha, alalan' ny aoriana
yveratsimb
27.
Mpamosavy milevina amoron-dalana: ny valin-kitsaka no tsy tanty
yveratsimb
28.
Tsy hadalan' ny akoho no itoerany an-joro fa toeram-boazara
yveratsimb
29.
Ny teny toy ny zipon'ny tovovavy, lava mamafa lalana, fohy mampitanjaka ny tompony
yveratsimb
30.
Ny fahadalana no mampianatra ny fahendrena.
niryna
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.113