Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe alan
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
alan
Hampiditra ohabolana
91.
Ny fahafatesana dia lalan-kiraisana fa tombon-dalana kosa ho anny lasa.
sylvoalias
92.
Sokina nanani-bato ka tapi-dalan-kaleha.
sylvoalias
93.
Zatra ny lalan-dririnina ka fahavaratra avy no hanao hitsin-dalana.
sylvoalias
94.
Ny adalanny tena tafian-damba fa ny adalan ny hafa ihomehezana.
sylvoalias
95.
Hianaro ny fahendrena amin'ny alalan'ny adalan'ny sasany
miainga
96.
Ny valikin-kitsaka noho miverina, toy ny mpamosavy nalevina an-dalana
niryna
97.
Tsy misy afaka manompo tompo roa fa ny iray ho tiany ary ny iray ho halany
niryna
98.
Aza mandeha tsy voizina toy ny lakana mivalan-drano
niryna
99.
Ny adalan'ny olona hihomehezana fa ny adalan'ny tena tafian-damba
niryna
100.
Halan'ny olona hianao fa tiako izaho hanana azy
niryna
101.
Aleo fahalalana toy izay volamena voafantina
niryna
102.
Mpamosavy milevina amoron-dalana koa mahatantesa valin-kitsaka.
ilanto
103.
Ny tiana ihany no hanarina ary ny adalan'ny tena tafiam-boridamba fa ny adalan'ny olona hihomehezana.
niryna
104.
Sambatra izay olona mahita fahendrena sy mahazo fahalalana
niryna
105.
Tapa-dalan-kaleha toy ny sokina nanani-bato
niryna
106.
Zaro amin'ny lalana izay tokony alehany ny zaza ka na lehibe aza izy tsy hiala aminy
niryna
107.
Sokiny nanani-bato ka tapa-dalan-kaleha
niryna
108.
Ny hazo avo halan'ny rivotra.
niryna
109.
Aza milanjalanaja toy ny akoho mihinam-biby
niryna
110.
Ny hazo avo halan'ny rivotra, kakazo mirona tsy lavon-drivotra.
niryna
111.
Sambo-balalan'ingahibé, azo moa fanampin-kanina, tsy azo tsy fahafirin-kanina
menalamba
112.
Ny eritreritra dia tsara lavitra noho ny fahalalana.
niryna
113.
Mifanimpaka an-toerana toy ny valalan-karona
rtol
114.
Mpiasa be voton'anatra ka manao mbay lalana an-tsena
rtol
115.
Ny adalan'olona ihomehezana fa ny an'ny tena tafian-damba.
aivetinakely
116.
Ny fanambadiana tahaka ny jiafotsy, vao tsy ialàn-kasokasoka, tonta tsy ialàn-dromoromo.
aivetinakely
117.
Ny fandefasana eritreritra no zava-dehibe noho ny fahalalana
niryna
118.
Tapi-dalan-kaleha tahaka ny sokina nanani-bato.
aivetinakely
119.
Zatra ny lalan-dririnina ka manao hitsin-dalana fahavaratra.
aivetinakely
120.
Tombon-dalana ny lasa, fa lalan-kiarahana ihany.
niryna
Voalohany
Mialoha
2
3
4
5
6
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.219