Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe alan
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
alan
Hampiditra ohabolana
151.
Adala mandoror trano : ara-dalàna ny firehetany
Mandefitra
152.
valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia azy
doum
153.
tapi-dalan-kaleha tahaka sokona nanani-bato
doum
154.
Aza manao fialan'ny jiosy
doum
155.
Hamidio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara
doum
156.
Manao mbay lalana antsena
doum
157.
Zatra ny lalandririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana
doum
158.
Ny adalan'ny tena no tafin-damba
doum
159.
Sao dia zatra ny lalan-dririnina ka manao hitsin-dalana raha fahavaratra
JMR
160.
Bingo mahafeno lalana
jentilisa
161.
ny lainga mora atentina fa sarotra ialana.
jentilisa
162.
Tsy kely lalana ny ratsy
JMR
163.
Ny anarana mampodi-mandry ny tarehy mampiverin'ilalana
JMR
164.
Varotra amponga an-tanana; sady mahare ny feony no mahalany ny vidiny.
jentilisa
165.
valalan'amboa: tanora mitsipika, antitra mitsipika.
jentilisa
166.
mitombo an-dalana toa dian'andriana.
jentilisa
167.
ny fanoron-dratsy no miverina ilalana
jentilisa
168.
fitia savony, tiana fa avalana rano.
jentilisa
169.
Ny hazo avo halan-drivotra
JMR
170.
Ny adalan'ny olona ihomehezana fa ny adalan'ny tena anarina
JMR
171.
Mitoditodika hoatrany olona mangery amoron-dalana
pablo
172.
Aza manao lalan-kita-kisoa
JMR
173.
Mpamosavy milevina amoron-dalana, mahatantesa ny valin-kitsaka
JMR
174.
Mpiasa be vonton'anatra manao mbay lalana an-tsena
JMR
175.
Ny teny toy ny ketsa, ka izay mahalana sosohana
hery
176.
Manetsa vary mahalana, ka ny atao no alaina
hery
177.
Ny be no avy, ny kely no mialoha làlana
hery
178.
Hazo avo halan-drivotra
hery
179.
lalitra an-kazo, ny iaviany tsy mahavezatra, ny ialany tsy mahamaivana.
ftma
180.
Atody makakoa latsaka an-dalana, samborina izy maty ny ray; avela izy, maty ny reny.
ftma
Voalohany
Mialoha
4
5
6
7
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0186