Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe avia
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
avia
Hampiditra ohabolana
1.
Tanan-kavia sy havanana ka izay didi-maharary
RIJA08
2.
Aviavy be toy ny tandrimo, kanefa raha sendra rivotra milefitra ihany.
Zohimbato
3.
Ny havisavisana ny ratsy hiavian'ny soa
tiana2017
4.
Tsa misy rano tsa te ho agn'andreagna fa ny lahatsa ro iaviana agn'andolagna
OZ16
5.
Aza manao fira hazo am-pihaviana
OZ16
6.
Aviavy toy ny amany vao maraina.
Andokely
7.
Tandroky ny andevovavy ny fisoitr'afo, sady mahay manavia no mahay manavanana.
soanja
8.
Toy ny aviavy ka mangidy am-boalohany, fa mamy amin'ny farany.
soanja
9.
Tana-kavia sy havanana hono ka mamy ny atsy,tsy foy ny aroa...
ionosaoly
10.
Vato atao fototra trano, tsy ny hatsarà ny ihany no kendrena fa ny toerana niaviany.
aivetinakely
11.
Vazon-kira sa vazon-drano, sady tsy vazon-kira no tsy vazon-drano fa avia hitafa fitiavana.
aivetinakely
12.
Vary zato naharon'ny sompitra, ny fiaviany no nahasamihafa azy.
aivetinakely
13.
Ondry bonaika, tsy fanta-piaviana, tsy hita hiresahana.
aivetinakely
14.
Didimaso asiana ody, mahareta fa hihavian'ny soa
niryna
15.
Tanàn-kavia sy havanana, izay didia-maharary
ikalamako
16.
Ny omby no manimbolo miankandrefana, hanigna an'Ibongolava niaviana.
aivetinakely
17.
Ny eo an-tratra tsy lavo, miantso avia lehiroa
jlambout
18.
manao tolon'ilaikavia: ny an-ilany tsy lavo, ny an-ilany tehafi-maso
latina
19.
Boka tsy namosavian-kavana ohatry ny mananasy
latina
20.
didimaso asiana ody: mahareta fa hihavian'ny soa
latina
21.
botry milaoka, ka tambavian-koman-kena
latina
22.
Manalasala tahaka ny manambady vaviantitra hitositosy toa renibe avela amin'izao anjara vadin'ny tena, ka ny loa-bary sisa no andrasana
hery
23.
Tsy mety raha ny havia no mody havanana
zouzou
24.
Izay ataon'ny tananao havia aza atao fantan'ny tananao havanana
doum
25.
Tana-kavia sy havanana ka izay tsy maharary manafosafo
doum
26.
Aza ny firavana no atao fihaviana
jentilisa
27.
Tsy misy manaha-bato aman-kazo fa manahaka ny olona nihaviany avy.
jentilisa
28.
Aviavin'Imaroadabo, vao donina dia mirarak'ompana.
jentilisa
29.
lalitra an-kazo, ny iaviany tsy mahavezatra, ny ialany tsy mahamaivana.
ftma
30.
Tanan-kavia sy havanana, izay didi-maharary. Trano atsimo sy avaratra, izay tsy mahalen-kialofana
hery
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0235