Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe bory
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
bory
Hampiditra ohabolana
1.
Mibaribary tsy azo afenina toy ny tabory an-kandrina
RIJA08
2.
Aza manao toy ny mpamaofy voanjobory , ka ny olona fosaina ihany avy eo no hangatahana sakafo
Mi69
3.
Voalavo anaty siny, boribory ny lanitra
hery
4.
Banga mihinam-boanjobory, any am-body vao milalao kanety
mick87al
5.
Rafotsibe leom-boananana ka tsy te hahita zava-boribory mainty
OZ16
6.
Omby lahy nanonto vatolampy ka bory tandroka amin'ny adalany
kels
7.
Banga mihinam-boanjo-bory , am-body manao kanety
ravelobe
8.
Leom-boanana ka tsy te hierika zava-boribory.
niryna
9.
Rafotsibe leom-boan'anana ka leo-java-boribory
Bita
10.
Sady tia bory, tia manan-tandroka. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
11.
Matsabory ambany tanàna, ndray tsy higiahigny fa hanasana vity
hery
12.
Matsabory feno tatamo, madio fa tsy mazava
hery
13.
Rafotsibe leom-boan'anana ka tsy tia zavatra boribory...!
sylvoalias
14.
Betabory tsy mahay milomano ka atsingevan'ny voataboriny
Ratianakel
15.
Vato borobory mikodia, tsy hafainganam-pandeha fa fitadiavana tany marin-drano.
aivetinakely
16.
Ny fitiavana tahaka ny voanjobory mamelana, totofana vao maika mirohotra
aivetinakely
17.
Felam-boanjobory totofana, mandefitra vao mamokatra be.
aivetinakely
18.
Efa leom-boanana ka tsy te-hierika zava-boribory intsony.
niryna
19.
- Tarôndro nidiavintsarety zegny, maso fo miboliaka fa fô tsy mazava - Matsabory misy tatamo è, madio fa tsy mazava è!
Ambininjanahary
20.
Rafotsibe leom-boananana ka tsy tia zava-boribory.
aivetinakely
21.
Tsy misy boribory toy ny tain'ondry fa raha latsaka an-tany misy kitsambony.
niryna
22.
Sady tia bory no tia mana-tandroka
latina
23.
banga mitelina voajobory an-kibo milalao kanety
caloh
24.
Ka mba tea bory, tea manan-tsifa!
roscarb
25.
Leom-boananana ka tsy tia zava-boribory
somaravo
26.
Katsaka, tsaramaso, voanjobory...hanina harivariva mampatory
jentilisa
27.
Aza manao toton'omby bory
McFy
28.
Banga mihinana voanjobory, any an-kibo vao manao kanety
JMR
29.
Rafotsibe leom-boananana ka tsy tia zava-boribory intsony
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0383