Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe hale
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
hale
Hampiditra ohabolana
1.
Ny tampoka tsy maha lehilahy, fa ny mahalehilahy tonga tampoka
hash20
2.
Ny te hanana tsy mahaleo ny ambinina
brunopayet
3.
Ny hery tsy mahaleo ny fanahy.
0330417255
4.
Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo lainga tsara lahatra
dagomainty
5.
Ny halavoana tsy mahalehibe
yveratsimb
6.
Ny lalana haleha rahateo, ny dia ho any Mahavika.
soanja
7.
Tsy mahaleo ny tarehy ratsiko aza, dia tsy maintsy malahelo ny entan-kitaiko.
soanja
8.
Fotaka ambaravarana ka samy manilika izay halehany.
soanja
9.
Ondrilahy tsindrim-barotra ka na ngeza aza tsy mahaleo ny tenany.
soanja
10.
Ny teny ratsy mahaleo tena, ny teny tsara mila fampiharana
Crionlas
11.
Ny fihavanana dia toy ny trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena hialofana
niryna
12.
ny lainga marivo tototra tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra
batteur
13.
Ty lia antoandro mijabalea, ty lia hale mitakiokioke (Ohatse Tandroy)
maeva74
14.
Tsara rafi-batana, tsy misy halemem-panahy, manintona fijery fa tsy mahazaka havam-bady.
aivetinakely
15.
Ny krismasy izay fahatsiarovana ilay nahaterahan'ny Mpanjakan'ny fandriampahalemana ary manome basy kilalao ho an'ny ankizy
niryna
16.
Ny tain'omby voavadika tsy misy mpaka no mariky ny fandriam-pahalemana.
aivetinakely
17.
Tsy mahaleo mora, hoatra ny mpantsaka
niryna
18.
Izay tia mahalefitra, fa nyfandeferana ela loatra mitarika fisarahana.
aivetinakely
19.
Raha miady izay sy ny azy, tsy ahaleo ny naterany
niryna
20.
Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra
niryna
21.
Ny havan-dratsy tsy mahaleo ny sakaiza tiana.
niryna
22.
Ny tanora valaka tsy mahaleo ny lahy antitr'Imamo
latina
23.
Ny hery tsy mahaleo ny fanahy
latina
24.
Be resaka ohatran'Ambositra fa tsy mahaleo an'Ambodivoara
latina
25.
hoy ny foko Bara: Roboky lahy gny hatea sata gny fahalegna
Kinga
26.
-Antobavy milefa mahalegny;takatra izy nijanogno -Antoboavy mandihy aligny, izy koa tsy dadinao ialao
salim
27.
Tsy mahaleo nyte hanana ny ambinina
doum
28.
Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra
doum
29.
Haleo henatra imaso toy izay fitia hafenina
doum
30.
Ny fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka
doum
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0707