Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe marina
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
marina
Hampiditra ohabolana
31.
Fisaka ny marina ka saro-patarina
niryna
32.
Ny adala no tsy inoan'teny, na marina aza manahirana
Crionlas
33.
Ny teny marina toy ny fia-pary, ka na lava aza, tsy lany hamamiana
niryna
34.
Aza mandrimandry manana aretina, fa fotory ny tena marina aminy.
aivetinakely
35.
Aza misafidy eo anoloan'ny akoho sy atody, fa tsy fantatra marina izay taloha.
aivetinakely
36.
Tefin'olona tsy mahay ka tsofa no manamarina azy.
niryna
37.
Ho faly ny vahoaka, raha mihamaro ny marina
niryna
38.
Fisaka ny marina ka sarotra fatarina
niryna
39.
Ny vavolombelona marina milaza izay hitany fa ny vavolombelona ratsy kosa milaza lainga
niryna
40.
Teny zato, kabary arivo, fa iray ihany no marina
niryna
41.
Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra
niryna
42.
Kristianina marina, fa na ny rano ho sotroiny aza isaorany ny Tompo!
ilanto
43.
Raha miha-maro ny marina, dia faly ny vahoaka fa raha.Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka dia misento kosa izy.
niryna
44.
Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina.Ary omena ny rariny ny ory sy ny malahelo.
niryna
45.
Tefin'olon-tsy mahay, ka tsofa no manamarina azy
latina
46.
Ny marina toy ny tsiriry anaty harefo: tsy maty, fa malazo.
latina
47.
Ny olona marina toy ny ombalahy ampandronjinana: tsy folaka anio, tsy maty mandrakizay.
latina
48.
Ny olona marina ohatra ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa.
latina
49.
Fanafodin'ny osa ny marina ataony.
latina
50.
Ny marina tsy mba maty ka na mihafina aza hita ihany
arina
51.
kobokoboin'ny marina ka miteny tsy hanotaniana
doum
52.
Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra
doum
53.
Ny marina tsy mba maty
doum
54.
Kobokoboin'ny marina
doum
55.
Marina fa misy lainga ary lainga fa misy ny marina
JMR
56.
Ny teny marina ohatry ny fia-pary, ka na lava aza, tsy lany hamamiana
hery
57.
Teny zato, kabary arivo, fa iray ihany no marina
McFy
58.
Arivo teny, zato kabary, fa iray ihany no marina
booboo
59.
Ny teny marina ohatra ny fia-pary ka na lava aza tsy lany hamamiana.
ftma
60.
Kitikitihan'ny marina ka milaza tsy anontaniana
vale
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118