Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe sahala
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
sahala
Hampiditra ohabolana
1.
Manalasala tahakin'ny vady lava nify, atao eo aoriana, ohatran'ny hanaikitra, atao aloha, sahala ny mitsiky amin'ny mpandalo
lova6
2.
Mazoto kamo velona sahala amin'ny akoholahy, mba mifoha maraim-be ihany fa mijanona eo amorom-patana.
randriajj
3.
Antitra vao tia sangy sahala amin'ny tsipolotra antitra.
aivetinakely
4.
Saro-devonina sahala ny tsaramaso tsy tsara masaka, manahirana ny tompony ary koa manahirana ny mpiara-monina.
tsiroa
5.
Ny faniriana mety ho sahala, fa ny anjara tsy hitovy.
tsiroa
6.
Aingaingain-kazera sahala amin' ny famono vato.
BEDOGAIGY
7.
Vita ho azy sahala amin'ny karatr'i Naivo, ny fanjakàna tsy nitaky, i Naivo tsy nanatitra.
aivetinakely
8.
Mandeha irery, sahalain'Andriamanitra, mandeha roa, sahalain'olombelona.
yveratsimb
9.
sahala ,ny rajako na fa antitra aza tsy manadino tsambokina
19822709
10.
Ny dobo tsy hita no mahamanina, fa rehefa hita sahala ihany.
soanja
11.
Tapi-dalan-kaleha sahala amin'ny sokona nanani-bato
razozy
12.
Mivadibadika sahala amin'ny lela may, ny eny anio tsia rahampitso.
aivetinakely
13.
Mafaitsy mahajanga sahalaky katrafay.
aivetinakely
14.
Tampotampohany sahala ny boka nahazo kapa ka eny am-pandriana avy no tsy hiala kiraro
Bazily
15.
Ataovy sahala amin'ny tokantranon-dandy, ao anatiny vao manatevina.
aivetinakely
16.
Manararaotra sahala amin'ny banga mihomehy alina
anahely
17.
Tsy miady, sahala;ka hiady, hisy resy.
niryna
18.
zatovo miavon-tsahala ka tratry ny akory izao!
latina
19.
Sahala amin'ny sahona: mipetraka, toa lahy antitra, mitsambikina, toa tovolahy
latina
20.
Tsy miady, sahala; ka hiady, hisy resy
latina
21.
Toa tatamo am-parihin-dRasahala isika: ka raha faly, miara-manatrika, tezitra, miara-mihodina.
latina
22.
Avoavoin'ny vava ka sahalain'ny vintana
latina
23.
Mandeha irery, sahalain'andriamanitra, mandeha roa, sahalain'olombelona
latina
24.
aza atoka monina sahala amin'ny lamba miofy
mmirranntto
25.
Aza manao sahala @ jamba mangery amoron-tevana ka latsaka aloan'ny tainy
fotaka
26.
Tsy miady sahala, ka hiady, hisy resy
hery
27.
Be resaka sahala amin'ny any Ambositra
jajaf401
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0509