Serasera
Namana
Tononkira
Tononkalo
Radiovazogasy
Antsary
Bizna
Fanoroam-pejy
Fandraisana
Handray email
Amin'ny takelakao
Fanoroana
Soso-kevitra
Fanazavana kely
Fidirana
Ohabolana
Hampiditra ohabolana
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny sokajy
Lisitry ny ohabolana
Search ohabolana
Mampiseho ny 4863 - 4882 amin'ny 4882
#
Ohabolana
Nampiditra
4882
Trafo-kena ome-mahery ka tokinao ihinana azy
kiriah
4881
Ny TIA toy ny alika ,mbetika mivovo mbetika mileledelaka
kiriah
4880
NY fitia toy ny aloka, enjehina mandao andosirana manaraka
kiriah
4879
Faheresen-kisoa, miakandrefana.
soanja
4878
adin-kisoa, ka vitam-potafota.
soanja
4877
Adin-drenin-kisoa, ka vitan'anjonanjona.
soanja
4876
Mamba reraka tsy mifidy harapaka.
soanja
4875
Mpihaza vao sendra sora ka hoentina toa totozy, havela toa trandraka kely.
soanja
4874
Sokina mita rano, ka tsy mahabe vava ny mamba.
soanja
4873
Sokina mita rano, ka ny tsy mahay indray no mivonkina.
soanja
4872
Ny lalana afaky ny voalavo afaky ny totozy, fa ny lalana afaky ny totozy tsy afaky ny voalavo.
soanja
4871
Voalavo latsaka an-ketona, ka halavoana leo ihany fa ny akoralava no tsy laitra.
soanja
4870
Bibilava ela niforetana, ka hitsotra ho hitan'ny olona.
soanja
4869
Androngo milanja lolo, ka tsy ny hohanina fa ny hoderain'ny hafa.
soanja
4868
Androngo milanja lolo, ka lehibe am-pitondrana fa kely am-pihinana.
soanja
4867
Ny androngo no velona tapa-drambo.
soanja
4866
Androngo efa tazako, ka na hitsipelika aza tsy mahataitra ahy.
soanja
4865
Mandady ny trambo.
soanja
4864
Hala manao trano, ka ny tsinay no fetra.
soanja
4863
Toy ny sahona ka mitoetra toa lahiantitra, mivikina toa tovolahy.
soanja
1
2
3
>
Last
Concept and Design © Serasera.org:
Eugene Hery
RSS
Tel +39 338 744 2412 (Italie)
Page rendered in 0.0684 seconds