Lisitry ny ohabolana

Search ohabolana
Mampiseho ny 5489 - 5508 amin'ny 5508
# Daty Ohabolana Nampiditra
5508 12/05/12 An'i baba va moa an'i neny? (Baina) ded.kitty
5507 12/05/12 Eeee... maty ny kely aina (Baina) ded.kitty
5506 08/05/12 Ratsy fiafara toy ny lahy antitra mamosavy rjuste
5505 08/05/12 Be nangy iray fandriana, ka ny any an-doha indray no lasa tery. rjuste
5504 26/03/12 Miakatse miakatse avao hoe ampela tovo ambahiny. Momake
5503 25/03/12 fanahy iniana ny ho hendry , fa ny adalana samy manana p106
5502 11/03/12 Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy, fany vehivavy matahotra an' i Jehovah ihany no hoderaina. 2N.E
5501 11/03/12 Toy ny kavim-bolamena eo @ oron-kisoa,Ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena 2N.E
5500 07/03/12 Tsy vorodea ty fiay ,tsy hay ty tsy tompony tatinatah
5499 26/02/12 Ny vola aman-karena no afaka robaina fa tsy ny fahaizana. niryna
5498 26/02/12 Leom-boanana ka tsy te hierika zava-boribory. niryna
5497 26/02/12 Toy ny trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena, hialofana. niryna
5496 26/02/12 Manan-tsira ka mahay mahandro. niryna
5495 26/02/12 Hilela-maina aza ataony, ka maika fa molotra misy tantely. niryna
5494 26/02/12 Arivo tatatra ,zato renirano;ny faran'ny rano Ikopa ihany. niryna
5493 26/02/12 Ny fanekena eo amin'ny fifanjofoan-javatra mitranga no mahatonga toetra . niryna
5492 26/02/12 Andriamanitra tsy manontany izay mety ho vitanao na tsy vitanao fa kosa mijery ny fahavononao Izy. niryna
5491 26/02/12 Ny toetranao sisa no tavela rehefa very avokoa izay maha hianao anao. niryna
5490 26/02/12 Izay ataonao rehefa tsy misy mpijery no tena ahalalana ny maha hianao anao. niryna
5489 26/02/12 Ny olombelona toy ny akondro,raha manondro ny lanitra iray ihany fa raha mihondrika, samy manana ny lafiny . niryna
 1 2 3 >  Last