Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
181.
sambatra izay itoerany fa ny nandalovany aza misento
Jocelyn Bellarmain
182.
Tehin-kiho ampiakarana, tsy haingo fa tohan' aina
Jocelyn Bellarmain
183.
akoholahy maneno an-tsena, tsy hery fa alahelo ny toerana nilaozana
Jocelyn Bellarmain
184.
Ny akoho no tsy manatody in-droa ao anatin' ny iray andro dia ny fitsinjovana ny ampitso!
Jocelyn Bellarmain
185.
Ny soa atao levenambola ary ny ratsy atao loza mihantona
benem
186.
Ny faniriana lalina no mampanaonao foana fa ny fahadisoam-panantenana no mampiheritreritra.
Lantoandryeric
187.
Lomanom-boka ka tafita vao rendrika
hery
188.
Ratsy fisangy toy ny saka no alaimbolombava......
farah20
189.
Mpamosavy milevina amoron-dalana ka mahatantesa valin-kitsaka
sylvoalias
190.
Aleo matanja-tsaina, fa ny sandry be tsy ilaina
avoss Jah
191.
Basy tsy mety velona, tapaho atao saosisy
hash20
192.
Ny tampoka tsy maha lehilahy, fa ny mahalehilahy tonga tampoka
hash20
193.
mandiso fanantenana tahaka ny afrikanina milanja pecto
hash20
194.
Fohy fa henjana tahaka ny rambon'omby tapaka
hery
195.
Rehefa manan-katao ny mpivady, atonta hehy, atonta hehy... rehefa tsy misy ny hatokona atonta ady, atonta ady...
fara2020
196.
Mpianatra samy mahay , ka mifanome formule diso
kabuto
197.
Ahandro mahia mila menaka, raha matsatso mila sira, raha tsara tsy mila dera.
Makoah
198.
Ny tena fitiavana tsy sento ka hoe miserana fotsiny ihany.
Maminirinaheryz_
199.
Ny naman-kanírina manjàry havana, ny naman-kandrendrika tonga fahavalo.
Maminirinaheryz_
200.
Raha ny lalana no tian-ko tody, tsy jerin'ny mpanesy araiky fa jeriny omban'izay entiny.
Maminirinaheryz_
201.
Ny te hanana tsy mahaleo ny ambinina
brunopayet
202.
Tranoben'Antananarivo ka izay mahavita aloha no manenina.
lraharimalala27
203.
Raha tsy te-hanenina na hitomany,manaova ny marina hatrany.
midrou
204.
Ny lafatra tsy misy fa ny ezaka no atao
Timoty2009
205.
Rafotsibe mitarano,izay mahasoa ataon'Andriamanitra
Jj.be
206.
Manaotao foana toa an'Andriamanitra nanao ny voay
fensrakoto
207.
Vovoan'Amboa,tsy hery fa tahotra
Jj.be
208.
Fihavanana tsy tiko ho rava no tsy anaovako trosa aminao
Jj.be
209.
Tsakaranon'i Arivo ka aleo hilamina dia misesy
Jj.be
210.
Aza matoky fahaizana fa,misy ny vitana sy ny anjara
Jj.be
Voalohany
Mialoha
5
6
7
8
9
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114