Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe adala
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
adala
Hampiditra ohabolana
1.
ny adalan`ny olona hihomehezana fa ny an`ny tena tafian-damba
RIJA08
2.
Soron`afon`i kala adala ka ny eo tsy levona ny ato asesika ihany
RIJA08
3.
Ny hendry mody voky, fa ny adala manesika ihany
Azrael666
4.
Farihy maty mamba ka itsobohan'ny adala rehetra
hery
5.
Ny adala no omena vady fa ny hendry misafidy
hery
6.
Izay adala no toa an-drainy
Jujutsu
7.
Fitia miorina an-daba-pako, ka anjakan’ny adala. Ny Andri-Fara 05.09.2003
SANAKERIB
8.
ny vary tsy fotsy adidiny laona, ny zazaka adala adidiny Ray aman-dReny
Benjamadagasikara
9.
"ny adala no tsy hambakaina, Andriamanitra no atahorana"
tenymamy
10.
ny saka sy ny alika miady ka miady hatramin'ny adala , mpvady miady ko ny zaza ao an trano no darohana
2016
11.
Ny adalan'olona ihomehezana fa ny adalan'ny tena tafian-damba
OZ16
12.
Adala nomen-tanan'ondry ka na soloina hofany aza tsy mety
OZ16
13.
Omby lahy nanonto vatolampy ka bory tandroka amin'ny adalany
kels
14.
Lany andro toy ny hendry mananatra adala
Rakotoaly
15.
Adala ny manina ka ny tompo-bady no hafarana.
BEDOGAIGY
16.
Ady amin' adala, ka ny hery no miala.
BEDOGAIGY
17.
Adala vady renianaka, ka mirakitra an-karon-doa-body.
BEDOGAIGY
18.
Adalan-kaotra ka zary hazaka.
BEDOGAIGY
19.
Adaladala toa zokim-bomanga : ny lehibe indray no mihosin-davenona.
BEDOGAIGY
20.
Adaladala nahazo vorona, ka ny volom-bodiny no nongotana fa tsy ny elany.
BEDOGAIGY
21.
Adaladala monina Ankaratra, ka tsy mahalala sahondra ho vaky.
BEDOGAIGY
22.
Adaladala manam-bety, ka izay rehetra hita, venty avokoa.
BEDOGAIGY
23.
Adaladala fiandry trano ka homam-barin-jaza.
BEDOGAIGY
24.
Adala manan-janaka ka ny isany avy no anontaniana olona.
aivetinakely
25.
"Tsy misy adala hoatran'ny kisoa fa rehefa mivoaka be tondromolotra",adala
TOKYTK
26.
Ilay Kamo mivady : ny lahy matory maraina, ny vavy manao be fahandro : tafahaona ny adala roa.
yveratsimb
27.
Lava hadalana ohatra ny valalan' amboa : kely mitsipaka, lehibe mandady
yveratsimb
28.
Atao adala ka tezitra: vary misy ro ka haronina, sisan' Idalo ka hanina
yveratsimb
29.
Adala nomen-tanan'ondry , na soloana ofany aza tsy tia.
aivetinakely
30.
Tsy misy adala tahaka ny akoho, fa nony hariva ny andro, mahalala mody
yveratsimb
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0214