01.-Toy ny rano notampohana asindra; tsy mamono fa mamelona. 02.-Ny fo tsy te ahalala lavitry ny manina. 03.-Rafotsibe no leom-pitiavana ka nahoana aho no tsy ho tia. 04.-Toy ny Masoandro mody tsy lasa aiza fa indro miverina ihany. 05.-Mampisara-bazana toy ny politika diso fiantefa. 06.-Lalonan-diavolanana sady mibanjina anao no mibanjina ahy. 07.-Aza manahy ny ho ampitso, itodiho ny dina nifanaovana omaly. 08.-Kalon’ny Mandritsara, tsy maha manina fa mampamelovelo. 09.-Aza mihambo ho mahay fa mbola resin’ny bado. 10.-Raha hianatra fahazotoana.Mandehana aloha jereo ny vitsika MPANORATRA : Ny Andri-Fara
SANAKERIB 12/03/2024 06:59

Hametraka hevitra

Midira aloha

Hevitra mandeha

hery ( 6 andro lasa)
Aza atambatra ny ohabolana fa ampidiro tsirairay.
Jereo izay efa ataon'ny hafa :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0615