Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Androso
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Androso
Hampiditra ohabolana
1.
hala mamelatra trano am-baravarana: tsy mibahana ahy androso fa mamandrika sakafony
ramandasonfelix
2.
Aza ny hakelin'ny masony no jerena, fa ny fandrosoana hoentiny
lehsabotsy
3.
Aleo mandroso ho faty toy izay miverin-ko may
yveratsimb
4.
Rajako manao palitao haitraitra fa tsy fandrosoana
milofo
5.
fandrosoana tsy fantatra hoaiza toy ny jamba mianefitra
milofo
6.
Arakaraky ny fandrosoan'ny fahaterana no ahafantarana fa ny fahatsorampo no fahasambarana indrindra
niryna
7.
"Ny manta ambilany mila mpahandro, ny masaka an-tokonana mila mpandoatra, ny voaloatra an-dovia mila mpampandroso."
soanja
8.
Alaon'ny andro nampakarana anie aho: ny hena be, ny fitia nandroso; ka sady Ramatoa aho no Raivo.
soanja
9.
Ny loza tsy mitoetra atao mbay lalana , ny fitahiana tsy mitsidika atao mandrosoa.
kiriah
10.
Sodokan'ny atao mandrosoa ka miantsampy eny ambony kitay.
soanja
11.
Ataovy toy ny dian'ny tanalahy ny fiainana, mandroso in-droa dia mihemotra in-dray mandeha
niryna
12.
Akanga niditry ny ala, handroso maty renibe, hihemotra maty raibe.
aivetinakely
13.
Liam-pandrosoana loatra ka ny biby avy no hananganana restaurant.
aivetinakely
14.
Antomondava toy ny fandrosoana
niryna
15.
Mibanjina ny sokatra aho, tsy misy ny fandrosoany raha tsy mamoaka ny tenda ety ivelany izy
niryna
16.
Maika handroso avara-patana ka ny fomban-tany hadino.
aivetinakely
17.
Akanga niditra ny ala, handroso maty renibe, hihemotra maty raibe.
aivetinakely
18.
Sanganehana tahaka ny saka hamangy jaboady, handroso sao voatora-bato, hiverina marary havana akaiky.
aivetinakely
19.
Rajako mampinono zaza, tsy hoe fandrosoana fa fomban-drazana.
aivetinakely
20.
Akanga tapa-kelatra amoron'ala hoe ka:handroso tsy afaka, hiverina manin-kavana
sylvoalias
21.
Androso maty raibe, hihemotra maty renibe
niryna
22.
Raha tsy mandroso izy dia izy ihany no tavela eo.
niryna
23.
Kilongalahy te handroso fahaizana, tsy maintsy mihafy raha te ho tafita.
ilanto
24.
Fiara lany lasantsy, ka na te handroso aza tsy afaka intsony.
ilanto
25.
Ny nenina tsy mipetrka hatao Mbay lalana, ary tsy mitsidika hatao Mandrosoa, fa aoriana vao mandatsa
McFy
26.
Ny nenina tsy mipetraka hatao Mbay làlana, ary tsy mitsidika hatao Mandrosoa, fa aoriana vao mandatsa.
lanto
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0347