Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe efitra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
efitra
Hampiditra ohabolana
1.
Aviavy be toy ny tandrimo, kanefa raha sendra rivotra milefitra ihany.
Zohimbato
2.
Ny lefitra tsy amin-tody mampiray vahana ny fandeferana
tsara_ny_marina
3.
zavatra tsy ampy zaraina ka mifandefitra no mahatsara fihavanana
rado_albert
4.
Aleo maty olo-malaina toy izay vaky vilany mianefitra
landryjery
5.
Ny hitsiny tsy aritra, ny rariny tsy enti-mandefitra
yveratsimb
6.
Ny tsihy no fola-mandefitra, fa ny olona tsy fola-mandefitra
yveratsimb
7.
Ady amin'adala, ny manam-panahy no mandefitra
yveratsimb
8.
fandrosoana tsy fantatra hoaiza toy ny jamba mianefitra
milofo
9.
Mandefitra manana ny rariny toy ny vahiny voa-hitsaka
kiriah
10.
Toy ny harefo, ka marotsaka ivelany fa miefitra anaty.
soanja
11.
Tefitra, toy ny vitsika ka manao varavarana tandrifin'ny lanitra.
soanja
12.
tsy folaka fa mandefitra toy ny vero nitaingenam-pody
kiriah
13.
manaitra ny mpiray efitra toy ny be vava mamangy marary
bobone
14.
Mpivady tsy mifandefitra, tsy vitan'ny rava harena, fa mbola mampisotry zaza.
aivetinakely
15.
Ny tsihy no fola-mandefitra fa ny olona tsy fola-mandefitra
niryna
16.
Felam-boanjobory totofana, mandefitra vao mamokatra be.
aivetinakely
17.
Vaky vilany mian'efitra, sy maty olo-mazoto ka tapi-dalan-kaleha.
aivetinakely
18.
Misalasala aho, fa te-handefitra manana ny rariny, te-hanadino ny lasa nefa ny ratrany mbola tsy sitrana.
aivetinakely
19.
Ny tsihy no fola-mandefitra fa ny olona no tsy fola-mandefitra
niryna
20.
miharihary toy ny kary an'efitra
elyzo
21.
Izay tia mahalefitra, fa nyfandeferana ela loatra mitarika fisarahana.
aivetinakely
22.
Vero itaingenam-pody, tsy folaka fa mandefitra.
aivetinakely
23.
Aleo vaky vilany mian'efitra toy izay maty olo-mazoto.
aivetinakely
24.
Maty manao soa izy, mandefitra vao vaky loha
niryna
25.
Aleo mandefitra ho mandina tahaka ny laditra, toy izay mivongovongo ho maina tahaka ny lohalika.
aivetinakely
26.
Aza miefitra anaty toy ny harefo, fa manaova mahitsy toy ny zozoro
aivetinakely
27.
Ny tsihy no fola-mandefitra fa ny olombelona tsy fola-mandefitra
aivetinakely
28.
Raha tiana ny vady, ny ravozana no tsinjovi-mandefitra
niryna
29.
Raha tiana ny vady, ny rafozana no tsinjovy manefitra
niryna
30.
Fatra-pandefitra toy ny mpivaro-tantely, ny tompony indray no milela-tanana
jentilisa
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0164