Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe efitra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
efitra
Hampiditra ohabolana
1.
Ny lefitra tsy amin-tody mampiray vahana ny fandeferana
tsara_ny_marina
2.
zavatra tsy ampy zaraina ka mifandefitra no mahatsara fihavanana
rado_albert
3.
Aleo maty olo-malaina toy izay vaky vilany mianefitra
landryjery
4.
Ny hitsiny tsy aritra, ny rariny tsy enti-mandefitra
yveratsimb
5.
Ny tsihy no fola-mandefitra, fa ny olona tsy fola-mandefitra
yveratsimb
6.
Ady amin'adala, ny manam-panahy no mandefitra
yveratsimb
7.
fandrosoana tsy fantatra hoaiza toy ny jamba mianefitra
milofo
8.
Mandefitra manana ny rariny toy ny vahiny voa-hitsaka
kiriah
9.
Toy ny harefo, ka marotsaka ivelany fa miefitra anaty.
soanja
10.
Tefitra, toy ny vitsika ka manao varavarana tandrifin'ny lanitra.
soanja
11.
tsy folaka fa mandefitra toy ny vero nitaingenam-pody
kiriah
12.
manaitra ny mpiray efitra toy ny be vava mamangy marary
bobone
13.
Mpivady tsy mifandefitra, tsy vitan'ny rava harena, fa mbola mampisotry zaza.
aivetinakely
14.
Ny tsihy no fola-mandefitra fa ny olona tsy fola-mandefitra
niryna
15.
Felam-boanjobory totofana, mandefitra vao mamokatra be.
aivetinakely
16.
Vaky vilany mian'efitra, sy maty olo-mazoto ka tapi-dalan-kaleha.
aivetinakely
17.
Misalasala aho, fa te-handefitra manana ny rariny, te-hanadino ny lasa nefa ny ratrany mbola tsy sitrana.
aivetinakely
18.
Ny tsihy no fola-mandefitra fa ny olona no tsy fola-mandefitra
niryna
19.
miharihary toy ny kary an'efitra
elyzo
20.
Izay tia mahalefitra, fa nyfandeferana ela loatra mitarika fisarahana.
aivetinakely
21.
Vero itaingenam-pody, tsy folaka fa mandefitra.
aivetinakely
22.
Aleo vaky vilany mian'efitra toy izay maty olo-mazoto.
aivetinakely
23.
Maty manao soa izy, mandefitra vao vaky loha
niryna
24.
Aleo mandefitra ho mandina tahaka ny laditra, toy izay mivongovongo ho maina tahaka ny lohalika.
aivetinakely
25.
Aza miefitra anaty toy ny harefo, fa manaova mahitsy toy ny zozoro
aivetinakely
26.
Ny tsihy no fola-mandefitra fa ny olombelona tsy fola-mandefitra
aivetinakely
27.
Raha tiana ny vady, ny ravozana no tsinjovi-mandefitra
niryna
28.
Raha tiana ny vady, ny rafozana no tsinjovy manefitra
niryna
29.
Aza dia fatra-pandefitra toy ny mpivaro-tantely, ka ny tompony indray no milela-tanana.
jefra
30.
Vero notangainam-pody tsy folaka fa mandefitra
fily
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0127