Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe rafotsibe
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
rafotsibe
Hampiditra ohabolana
1.
Rafotsibe nahandro sakafo, mampiseho ny talentany sy ny traikefany.
Angonoka
2.
Rafotsibe kendam-bomanga ka kenda vao hoe domy aho ranaotra
RIJA08
3.
Rafotsibe very laona ka miadry izay higadonany
RIJA08
4.
Rafotsibe mangataka omby: raha mahazo, manan-karena indray andro; tsy mahazo, ny omby angaha fangataka?
azrael666
5.
Rafotsibe mitarano,izay mahasoa ataon'Andriamanitra
Jj.be
6.
Rafotsibe leom-boananana ka tsy te hahita zava-boribory mainty
OZ16
7.
Rafotsibe leon-tsokina ka tsy te hahita vodi-kifafa
OZ16
8.
rafotsibe hangery amoron-tevana,latsaka alohan'ny tainy
sakaiz
9.
Rafotsibe nita rano ka izay hahasoa taovin'Andriamanitra, na ho rendrika, na ho tafita
yveratsimb
10.
Rafotsibe leom-boanjo ka tain’ondry avy no andosirana
yveratsimb
11.
Rafotsibe maty andro nandroana: sady tsy enina ny aty no tsy enina ny any Ambondrombe
yveratsimb
12.
Rafotsibe lavo an-tanimena ka tsy te hierika ran-kena
LemenaTsiAfo
13.
Rafotsibe leon-trandraka, ka mataho vodi-kifafa.
Bita
14.
Rafotsibe leom-boan'anana ka leo-java-boribory
Bita
15.
Rafotsibe leon-koditra ka tsy te hijery omby velona.
soanja
16.
Rafotsibe leon-dran-kena ka tsy te hijery tanimena.
soanja
17.
Rafotsibe mataho-tararaka ka ianao hariva eo, izaho alina eto.
soanja
18.
Rafotsibe manenjin-tsintsina, ka izaho ety, izy eny, izaho ery, izy ety.
soanja
19.
Rafotsibe lavo an-tambiazina, ka raha tafarina dia mitsipon-tsindretra.
soanja
20.
Rafotsibe leon-kofak'ondry ka tsy tia zava-misavily.
soanja
21.
Rafotsibe leo trandraka ka matahoatra vodi-kifafa
melumanga
22.
Rafotsibe leom-boan'anana ka tsy tia zavatra boribory...!
sylvoalias
23.
Rafotsibe nadika tatatra, mampalalaka ny efa nikombona.
walte
24.
Rafotsibe nangataka omby, mahazo fanampi-karena; tsy mahazo, oviana moa ny omby no fangataka?
dangytsmaty
25.
Rafotsibe leon-tsokina ka vodi-kifafa avy no itsoahana
Manatsiala
26.
Rafotsibe leon-drakena ka tanimena avy no atahorana
Manatsiala
27.
Rafotsibe nisika fary, ka ny natao hanamando ny tenda no nikiky ny akanjon'ify.
aivetinakely
28.
Mba manan-kantenaina tahaka and-Rafotsibe nandevina eran'ambatry.
aivetinakely
29.
Rafotsibe kendam-bomanga, ka maty nasesiky ny tenany ihany
aivetinakely
30.
Rafotsibe maty ondry ka misento homana ny atiny
niryna
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0183