Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe rafotsibe
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
rafotsibe
Hampiditra ohabolana
1.
Rafotsibe mangataka omby: raha mahazo, manan-karena indray andro; tsy mahazo, ny omby angaha fangataka?
azrael666
2.
Rafotsibe mitarano,izay mahasoa ataon'Andriamanitra
Jj.be
3.
Rafotsibe leom-boananana ka tsy te hahita zava-boribory mainty
OZ16
4.
Rafotsibe leon-tsokina ka tsy te hahita vodi-kifafa
OZ16
5.
rafotsibe hangery amoron-tevana,latsaka alohan'ny tainy
sakaiz
6.
Rafotsibe nita rano ka izay hahasoa taovin'Andriamanitra, na ho rendrika, na ho tafita
yveratsimb
7.
Rafotsibe leom-boanjo ka tain’ondry avy no andosirana
yveratsimb
8.
Rafotsibe maty andro nandroana: sady tsy enina ny aty no tsy enina ny any Ambondrombe
yveratsimb
9.
Rafotsibe lavo an-tanimena ka tsy te hierika ran-kena
LemenaTsiAfo
10.
Rafotsibe leon-trandraka, ka mataho vodi-kifafa.
Bita
11.
Rafotsibe leom-boan'anana ka leo-java-boribory
Bita
12.
Rafotsibe leon-koditra ka tsy te hijery omby velona.
soanja
13.
Rafotsibe leon-dran-kena ka tsy te hijery tanimena.
soanja
14.
Rafotsibe mataho-tararaka ka ianao hariva eo, izaho alina eto.
soanja
15.
Rafotsibe manenjin-tsintsina, ka izaho ety, izy eny, izaho ery, izy ety.
soanja
16.
Rafotsibe lavo an-tambiazina, ka raha tafarina dia mitsipon-tsindretra.
soanja
17.
Rafotsibe leon-kofak'ondry ka tsy tia zava-misavily.
soanja
18.
Rafotsibe leo trandraka ka matahoatra vodi-kifafa
melumanga
19.
Rafotsibe leom-boan'anana ka tsy tia zavatra boribory...!
sylvoalias
20.
Rafotsibe nadika tatatra, mampalalaka ny efa nikombona.
walte
21.
Rafotsibe nangataka omby, mahazo fanampi-karena; tsy mahazo, oviana moa ny omby no fangataka?
dangytsmaty
22.
Rafotsibe leon-tsokina ka vodi-kifafa avy no itsoahana
Manatsiala
23.
Rafotsibe leon-drakena ka tanimena avy no atahorana
Manatsiala
24.
Rafotsibe nisika fary, ka ny natao hanamando ny tenda no nikiky ny akanjon'ify.
aivetinakely
25.
Mba manan-kantenaina tahaka and-Rafotsibe nandevina eran'ambatry.
aivetinakely
26.
Rafotsibe kendam-bomanga, ka maty nasesiky ny tenany ihany
aivetinakely
27.
Rafotsibe maty ondry ka misento homana ny atiny
niryna
28.
rafotsibe namozafy zafikely, voky hena herinandro fa ringi-bolo heritaona
zanakantitra
29.
Rafotsibe naka erana, ny tsy hahazo ahina, ny tsy hahazaka ahina
zanakantitra
30.
Rangahibe no tratr'andro:Rafotsibe no nanadala azy.
niryna
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.012