Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Mpamosavy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Mpamosavy
Hampiditra ohabolana
31.
Mpamosavy milevina amoron-dalana koa mahatantesa valin-kitsaka.
ilanto
32.
Aza miafina nefa misy mahita, toy ny mpamosavy mandeha alina
anahely
33.
Mpamosavy namosavy boka, matin'ny olon-dratsy ny olon-tsivanona
niryna
34.
Mpamosavy namosavy boka, ka natin'ny olon-dratsy ny olon-tsy vanona.
niryna
35.
Maty tsy isaonana toy ny amboan'ny mpamosavy.
ikalamako
36.
Izay tsy miarahaba mpiteraka naman'ny mpamosavy
aivetinakely
37.
raha mpamosavy azo nanitsaka, ataovy toy ny anana, ka raha maniry, tsongoy
latina
38.
Mpamosavy natakalo omby mahery: lasa ny loza, fa tonga ny atambo.
latina
39.
Mpamosavy nalevina an-dalana, ka ny valin-kitsaka no miverina
latina
40.
itony mpamosavy tsy mivovo mba handosirana, ary tsy maniry tandroka mba hiviliana
latina
41.
Ny mpamosavy aza mivoaka misasaka alina dia hita ihany, ka indrindra fa izay manao ratsy atoandro
latina
42.
Mpamosavy mandalo fasam-bao: zava-panao ka tsy aritra
latina
43.
aza faly am-panaovan-dratsy toa mpamosavy
latina
44.
Potraka am-baravarana toa mpamosavy
latina
45.
mpamosavy namosavy boka, ka matin'ny olon-dratsy ny olon-tsy vanona.
latina
46.
Fatra-piahy mpamosavy; fatra-pifehy trano fangalarina
latina
47.
mpamosavy vao mina_bao ka mivoaka @ androdiavolana
dadou
48.
sasatry ny miaina ka eny am-baravaran'ny mpamosavy no manao sikidy
raniry
49.
mpamosavy tsy masina antaniny
dadabe
50.
Tambazo ty mpamosavy lafa tsy namono hamelon'anake
roscarb
51.
Tsy misy tsy diso fa izay to fo mpamosavy
doum
52.
Mpamosavy malemy lohalika ka ny ao antrano ihany no asina
doum
53.
Aleo mifanena @mpamosavy toyizay mifanena @mpandainga
doum
54.
Tambatambazo ny mpamosavy hameloman'anaka
doum
55.
Mpamosavy malemy ka ny an-trano ihany no asiana
JMR
56.
Mpamosavy milevina amoron-dalana, mahatantesa ny valin-kitsaka
JMR
57.
tsy tia maro toa mpamosavy
jentilisa
58.
Aza faly am-panaovan-dratsy toa mpamosavy
jentilisa
59.
mpamosavy namosavy boka ka matin'ny olon-dratsy ny olo-tsy vanona.
jentilisa
60.
Toy ny mpamosavy tsy mba mivovo mba handosirana, ary tsy maniry tandroka mba hiviliana
jentilisa
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.018