Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Mpamosavy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Mpamosavy
Hampiditra ohabolana
1.
Mpamosavy milevina amoron-dalana ka mahatateza ny vali-kitsaka
RIJA08
2.
Mpamosavy milevina amoron-dalana ka mahatantesa valin-kitsaka
sylvoalias
3.
Mpamosavy milaza tia fahavalony, hay mila tamby fahafatesana
ram20
4.
Izay to fo mpamosavy
OZ16
5.
Mpamosavy miana-draharaha ka ny ao an-trano ihany no lanahana
OZ16
6.
Tambatambazina ny mpamosavy hamelomana anaka
OZ16
7.
Aleo mihaona amin'ny mpamosavy toy izay mihaona amin'ny mpandainga
mychael
8.
Mpamosavy malemy ka ny ao an_trano indray no haripaka
MATOKYAH
9.
Efa tsara vina (études) ohatran'ny fasan'ny mpamosavy.
ontsy
10.
Jiolahy nahafaty mpamosavy,ka matin'ny olon-dratsy ny ny olon-tsy vanona.
FENOSOA2
11.
Aza faly am-panaovan-dratsy,toa mpamosavy
FENOSOA2
12.
Mpamosavy milevina amoron-dalana: ny valin-kitsaka no tsy tanty
yveratsimb
13.
Izay fatra-piahiahy mpamosavy
yveratsimb
14.
Mpangalatra nahafaty Mpamosavy ka matin'olon-dratsy ny olon-tsy vanona
RAINIJE
15.
Mpamosavy vita Batemy (Batisa), veloma ny kary anaty vato sy ny vorondolo anaty vero!
mianjy
16.
Aza manao mpamosavy malemy ka ny ao an-trano ihany no haripaka
ravomahandry
17.
Mpamosavy milevina amoron-dalana, matatesa valin-kitsaka
ravomahandry
18.
Ampamosavy tampodiam-paty nandrazana: tsy vagnon-draha nanina ka nody.
soanja
19.
Mpamosavy vovozin'amboa, kaosenao ia fa tiaanao evao ity raha mazary.
vesta
20.
Aleo mifanena amin'ny mpamosavy, toy izay mifanena amin'ny mpandainga
tianarivo
21.
Mpamosavy tra-nenina fa ny vady nanafenan-javatra no lasa nody mandry aloha.
aivetinakely
22.
Fatra-piahy mpamosavy, fatra-pifehy fangalarina
niryna
23.
Mpamosavy velom-paty nandrasana, tsy vanona ny nataony ka nody
niryna
24.
Mpamosavy milevina amoron-dalana, mahatantesa valin-kitsaka
dziana
25.
Aza lany andro eo am-pisangian-takotra toy ny boka mangala-pihinana, na ho variana mamahan-kary toy ny mpamosavy vao miana-draharaha.
aivetinakely
26.
Aza manao mpamosavy malemy ka ny ao antrano ihany no veleziny!
sylvoalias
27.
Ny valikin-kitsaka noho miverina, toy ny mpamosavy nalevina an-dalana
niryna
28.
Mitsakatsaka foana ka eny am-baravaran'ny mpamosavy no manompy sikidy
niryna
29.
izay tsy miady olo-bodo fa izay tohy fo mpamosavy
ravaux
30.
Mitady loza ka eny am-baravaran'ny mpamosavy no manompo sikidy
niryna
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0279