Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe anara
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
anara
Hampiditra ohabolana
31.
Ny ratsy mora ianarana fa ny tsara saro-takarina
Corice
32.
Ratsy anarana tahaka ny "hala" saingy famantarana andro tsara rehefa miasa.
aivetinakely
33.
Rano an-tambo, tsara anarana fe milaza loza.
aivetinakely
34.
Sihanaka voadakan’omby, ka maty manara-dronono
aivetinakely
35.
Loham-balala, tsy misy hanarahana azy fa tainy avokoa.
aivetinakely
36.
Ratsy anarana tahaka ny hena fizara am-paty.
aivetinakely
37.
Vehivavy tsara bika, ka miherika manaraka aloka.
aivetinakely
38.
Trondro gasy anaty fitaratra, ny anarana ihany no misoratra any Gasikara.
aivetinakely
39.
Manararaotra tahaka ny banga mihomehy alina.
king58
40.
Anaram-potsiny tahaka ny fihavanam-bato
aivetinakely
41.
Aza miandry ho avara-pianarana vao handinika ny zavaboary.
aivetinakely
42.
Fananarana tsy andraisan-karama, fa ny fiaraha-monina no ahazoana tsiny
aivetinakely
43.
Ny anarana no tsy raikitra, ny ao an-trano no manivaiva azy
niryna
44.
Aza atao fotsy volo mitozo foana, na zokiny manara dia.
kanto1
45.
Tahaka ny antitra mitomany : maika loza miketrona manaratsy tena.
kanto1
46.
Toy ny fanoto : ka antitra vao kely anarana.
kanto1
47.
Manaram po fahazaza ka maka kitay fotsy volo
kanto1
48.
Manaram po fahazaza ka misoron afo fotsy volo
kanto1
49.
Anaran-tsy very tahaka ny anjelimaintin'Anosy
ontsy
50.
Aza manararaotra tahaka ny banga mihomehy alina.
aivetinakely
51.
Ny anarana no tsy raikitra, ny ao an-trano no manivaiva
niryna
52.
fandrotrarana an-tanàna haolo ka mandimby anaran-dray tsy satry
elyzo
53.
Rafozam-bavy tanora(sady manja), ka rehefa eo ny zanany neny no anarany, rehefa tsy eo kosa ny zanany manala sorisory.
sylvoalias
54.
Toy ny fanoto:antitra vao kely anarana.
niryna
55.
Ny langoraona sy amponga no tsy mitovy feo mifanaraka, ary ny kintana sy ny volana no samihafa famiratra mifanotrona.
aivetinakely
56.
Tano mafy ny fananarana fa aza avela hiala.Hazony izy, fa ainao
niryna
57.
Mandihizy rahitsikitsika hianaranay raha fararano
niryna
58.
Ny eritreri-dratsy mibaby manaraka izay aleha.
niryna
59.
Mahantra te hotafita fianarana, koa ny vaky boky no sisa ianteherana.
ilanto
60.
Mpianatra kamo mamaky boky, koa mionona amin'ny kely azo tany am-pianarana.
ilanto
1
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0369