Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe fihavanan
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
fihavanan
Hampiditra ohabolana
61.
Fanambadiana tsy raikitra tsy atao haharatsy fihavanana
doum
62.
Aza atao fihavanam-bato ka raha tapaka tsy azo atohy, fa atovy fihavanan-dandy ka raha madilana azo tohizana
mandrindra
63.
Tsy ny varotra no taloha fa ny fihavanana
mandrindra
64.
Ny fihavanana ohatry ny landy : maty isika, ifonosana; velona itafiana ka ny madilana arahim-panondro
hery
65.
ny fihavanana dia rano be mamono afo
ftma
66.
fihavanana raha misy patsa ka valin'fingika fingaka
ramuscle
67.
Ny fihavanana ohatra ny landy, maty isika ifonosana, velona itafiana, ka ny madilana arahim-panondro
McFy
68.
Ny fihavanana toy ny fasam-bazimba ka izay mandrava aloha no kely ila
McFy
69.
Ny fihavanana tsy azo vidiana
McFy
70.
Varotra tsy raikitra tsy atao haharatsy fihavanana
vale
71.
Aza manao fihavanan'amboa ka taolana iray no isarahana.
lanto
72.
Fitia mifamaly mahatsara ny fihavanana.
lanto
73.
Ny fihavanana toy ny raty: raha henjanina, tapaka; ary raha ketrahina miboraka
hery
74.
Aza manao fihavanan-karena, ka tomany handratra ny sasany
hery
75.
Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona, hatonina, manalavitra, halavirina manatona
hery
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0161