Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe havanana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
havanana
Hampiditra ohabolana
61.
Fanambadiana tsy raikitra tsy atao haharatsy fihavanana
doum
62.
Tsy ny varotra no taloha fa ny fihavanana
mandrindra
63.
Ny fihavanana ohatry ny landy : maty isika, ifonosana; velona itafiana ka ny madilana arahim-panondro
hery
64.
ny fihavanana dia rano be mamono afo
ftma
65.
Maloiloim-pihavanana va ianao?
McFy
66.
fihavanana raha misy patsa ka valin'fingika fingaka
ramuscle
67.
aleo mifanao sarotra hihavanana amin'ny ela toy izay mifanao mora hiadiana amin'ny farany
jentilisa
68.
Ny fihavanana ohatra ny landy, maty isika ifonosana, velona itafiana, ka ny madilana arahim-panondro
McFy
69.
Ny fihavanana toy ny fasam-bazimba ka izay mandrava aloha no kely ila
McFy
70.
Ny fihavanana tsy azo vidiana
McFy
71.
Tanan-kavia sy havanana, izay didi-maharary. Trano atsimo sy avaratra, izay tsy mahalen-kialofana
hery
72.
Varotra tsy raikitra tsy atao haharatsy fihavanana
vale
73.
Ny ahiahy tsy ihavanana
vale
74.
Tanan-kavia sy havanana ka izay didi-maharary
vale
75.
Fitia mifamaly mahatsara ny fihavanana.
lanto
76.
Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana
lanto
77.
Ny ahiahy tsy ihavanana.
lanto
78.
Ny fihavanana toy ny raty: raha henjanina, tapaka; ary raha ketrahina miboraka
hery
79.
Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona, hatonina, manalavitra, halavirina manatona
hery
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0176