Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
151.
Rehefa manan-katao ny mpivady, atonta hehy, atonta hehy... rehefa tsy misy ny hatokona atonta ady, atonta ady...
fara2020
152.
Ny tena fitiavana tsy sento ka hoe miserana fotsiny ihany.
Maminirinaheryz_
153.
Ny naman-kanírina manjàry havana, ny naman-kandrendrika tonga fahavalo.
Maminirinaheryz_
154.
Raha ny lalana no tian-ko tody, tsy jerin'ny mpanesy araiky fa jeriny omban'izay entiny.
Maminirinaheryz_
155.
Ny te hanana tsy mahaleo ny ambinina
brunopayet
156.
Raha tsy te-hanenina na hitomany,manaova ny marina hatrany.
midrou
157.
Ny lafatra tsy misy fa ny ezaka no atao
Timoty2009
158.
Manaotao foana toa an'Andriamanitra nanao ny voay
fensrakoto
159.
Aza matoky fahaizana fa,misy ny vitana sy ny anjara
Jj.be
160.
ny anambadian-kiterahana, ny iterahana hodimby
heriniainavictorien
161.
Ny ahiahy tsy ihavanana
lalaraymond
162.
Tahaka ny dalle-n'Andavamamba, ririnina fitoeram-boalavo, fahavaratra fitoeram-pozaorana
valihniaina
163.
Raporapon'ny lentiky mila vonjy.
Tongasoa9
164.
ratsy tarehy be vody ,voninahitra ho an'ny fandriana fa henatra hoan'ny fiaraha-monina
kafaariaryefatra
165.
Aza manao toy Ikala mpaka vadin' olona, mambabo ivelany fa devoly fanahy
Holiholy
166.
Ratsy vintana toy ny PÔ, amanizana vao velon-kira
Aloka24
167.
Ataovy toy ny fitiavan'ny vitsika, ny entina mavesatra nefa ny tena bitika
petakasoa
168.
Vazo mitovy ihany va dia hita rano
kabarsTipaka
169.
Mpanjifan'ny RATP sy ny SNCF hono ka vita vakisiny amin'ny fahatarana.
orabory
170.
Ny ela no maharay roa
tsara_ny_marina
171.
Aza mihomehy amboa mahia mba tsy hibozan'ny volony
tsara_ny_marina
172.
Ny lefitra tsy amin-tody mampiray vahana ny fandeferana
tsara_ny_marina
173.
Ny afo lavitra tsy mba azo amindroana (Ohabolana betsileo)
tsara_ny_marina
174.
Ny teny toy ny voantsilo tsy afa-day: mamy fa sarotra entina
rainizao
175.
Tsy ahoanao inona izay vavan'olona any, zory andeha amin'ny fahamarinana hatrany ny fiainanao dia ampy
niryna
176.
Ny reny tsy mahafoy zanaka fa ny zanaka mahafoy reny. ka raha lasa reny hianao ?
niryna
177.
tafondro izany hoy ny feon'ilay jamba voatsapa
doly1
178.
Zanak'ondry mifatotra amoro-ketsa, fararanon'ny maso fa tsy fararanon'ny kibo.
Jj190263
179.
akanga mitindroka ambony vato, maty ny tendany.
jonyrapida
180.
Ratsy tarehy be vody tsy matahotra ny ho very zara
poussyratre
Voalohany
Mialoha
4
5
6
7
8
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0436