Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Mitovy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Mitovy
Hampiditra ohabolana
1.
very salaka mitovy ka ny hisavasavana ny raviny hahitana ny fotony. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
2.
Vazo mitovy ihany va dia hita rano
kabarsTipaka
3.
Ny vontom-pon'ny te-ho velona tsy mitovy amin'ny vontom-pon'ny te-hamono.
Lemonja
4.
Izay mitovy ro milambagna
OZ16
5.
Mitovy tanjaka otran ny tongotr alika ka tsy fantatra izay tena mahery.
niaina07
6.
Trano nafindra tsy mitovy zoro.
aivetinakely
7.
Tragno nafindra tsy mitovy zoro. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
8.
Fody lahy ririnina ka mitovy volo amin'ny sorohitra.
soanja
9.
Ny latsaka te hitovy, ny mitovy te hihoatra.
soanja
10.
Mitovy ty lava andro niainà no ty maro tany nombà fa ty amany tsy maharake ty tay lava
Ratianakel
11.
Ny langoroana sy amponga no tsy mitovy feo mifanaraka ary ny kintana sy ny volana no samihafa famiratra mifanotona
velosoa
12.
Tevi-Janahary, rehareha ihany fa tsy mitovy amin'ny nataon'olombelona.
aivetinakely
13.
Na manankarena na mahantra dia mitovy ihany ny namorona azy
niryna
14.
Ny tena namana dia izay mahafantatra anao ary mbola mitovy foana ny fitiavany anao
niryna
15.
Ny tena namana tsy miraharaha na tsy mitovy aza ny ba kiraronao
niryna
16.
Raha vazo mitovy ihany aza mita rano
sylvoalias
17.
Ny langoraona sy amponga no tsy mitovy feo mifanaraka, ary ny kintana sy ny volana no samihafa famiratra mifanotrona.
aivetinakely
18.
Ny vola samy manana fa ny isany no tsy mitovy
niryna
19.
Ny trano nafindra tsy mitovy zoro.
aivetinakely
20.
Raha vazo mitovy, aza mita lohasaha.
aivetinakely
21.
Ny tokantrano tsy ary mitovy
latina
22.
Didian-tsy ary somàka; faritana tsy ary voatana (na tsy mitovy)
latina
23.
Ny olombelona tsy ary mitovy
latina
24.
Trano afindra tsy mitovy zoro
Viky
25.
raha vazo mitovy ihany re nahoana no dia hiampita rano?
pandrybe
26.
FODILAHY RIRININA, MITOVY VOLO AMIN'NY SOROHITRA IHANY
andriary
27.
raha mitovy ihany ve dia hihampitana tendrom-bohitra
doum
28.
Mitovy ny tsy manana sy ny tsy manaja
JMR
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0436