Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Les proverbes contenant Sotro
Liste des proverbes, contenant
Sotro
Insérer un proverbe
1.
Sotro ranon'ny mahantra,tsy hetaheta fa fanampi-tsakafo "Zavona Rakoto"
ZavonaRakoto
2.
Manao fisotro labiera na be kibo any ka mandroatra atraminy tay
Mofono.vy
3.
Raha indray mandeha no manta vary,tsy handevin-tsotrobe.
Ny_Arlinah
4.
Ataovy fitia vita voady ka sahy misotro ny aleoko maty
jock
5.
Lanilany fahatany ohatran'ny volan'ny mpisotro toaka
MATOKYAH
6.
Tsa ny toaka ro mahere fa agnay betsileo ro tsa mahay misotro...
sylvoalias
7.
Misotro rano an-tanam-bady tsy hetaheta fa angolangola.
yveratsimb
8.
Aza manao sotrobe lava tango, mahay atsy, mahay aroa
yveratsimb
9.
Raha olona iray no tsy tia, hitoto koba aho hatavy; Raha olona maro no tsy tia, hisotro tangena aho ho faty
ravomahandry
10.
Matety mpihavy toy ny akohokely misotro rano
niryna
11.
Aza atao toy ny sotroben'Ambodinisotry, ka sady ikapohana alika no andoaran-dasopy
josla
12.
Rano tsy fisotro, tsy anasam-bava. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
13.
Raha olona iray no tsy tia dia mitotoa koba hatavy, fa raha ny be sy ny maro no mankahala dia misotroa tsingala ho faty.
soanja
14.
Sotroranon'akoho, ka izay kely azo no andraindraina
walte
15.
sotro ranon'ny mahantra tsy ala hetaheta fa fanampi-tsakafo
bemena
16.
Aza atao fitiavan'tsotro, rehefa ilaina vao tadiavina
Crionlas
17.
Mafanafana tahaka ny mpifana nisotro ranon'ampango.
aivetinakely
18.
Raha indray mandeha ve no manta vary dia andevi-tsotrobe?
niryna
19.
Raha indray mandeha no manta vary aza mandevi-tsotrobe
niryna
20.
Sotrobe lava-tango, mahay atsy mahay aroa
niryna
21.
Miasa amin'Atra, ny karama tsy dia betsaka fa ny fisotrona ronona rahatrizay dia ny miala amin'ity tany ity.
niryna
22.
Mateti-pihavy toa akoho misotro rano
niryna
23.
Aza manao sotrobe lava tango, loharana ny atsy, tsabahana ny eroa
niryna
24.
Mateti-pihavy toa sotrokely
niryna
25.
Afaka hitarika ny soavaly hisotro rano hianao fa tsy afaka azy ny hanery hisotro rano
niryna
26.
Kristianina marina, fa na ny rano ho sotroiny aza isaorany ny Tompo!
ilanto
27.
Ny vola tahaka ny ranon-tsira ka arakaraka ny isotroana azy no vao maika mampangetaheta
aivetinakely
28.
Tsy misy mahay hatrany an-kibondreniny, fa na ny mitan-tsotro aza ianarana.
aivetinakely
29.
Matety mpihavy toa sotrokely
niryna
30.
Raha olona iray no tsy tia ahy, mitoto koba aho hatavy;raha ny be sy ny maro no tsy tia ahy, hisotro tsingala aho ho faty.
niryna
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0175