Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe anaka
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
anaka
Hampiditra ohabolana
1.
Sasa forin`ny maro anaka ka indray manebaka ihany dia vita
RIJA08
2.
Akoho tokan'anaka, avo sasaka vao halan-tompo
hery
3.
Eka le hoy rahay Bekimpay, aloanay fa raha nihanin'anakay!
FatikyRaketa
4.
kanakana manotrona atodim-boay, tsy miantoka ny hahafoy fa tahotra ny rano iarahana mandro
Jocelyn Bellarmain
5.
Ny reny tsy mahafoy zanaka fa ny zanaka mahafoy reny. ka raha lasa reny hianao ?
niryna
6.
Aza malahelo vaky vilany fa manakaiky an ' Ampanataovana
phales
7.
aleo mifanalavitra mifamono akoho toy izay mifanakaiky mifamono aliaka
ratefihajaina
8.
Sanganehana tahaka ny ondry nanambady alika, ny vody lisaka nefa ny zanaka tsy hanahaka.
Bouba_lova
9.
manakarena mahihatra tsy ampy tsoka ka maty alohan`ny ombiny
luc1407fanomezana2
10.
Raha zanaka tsy hanaja ray aman-dreny, miteraha hahita
OZ16
11.
Adin'ombalahin'ny mpianakavy ka izay mandresy tsy hobiana ary izay resy tsy akoraina
OZ16
12.
Tambatambazina ny mpamosavy hamelomana anaka
OZ16
13.
Hovalahy maty zanaka,ka sira no hamoizana azy
Jemmy
14.
Atao fitiavana trondro sady ompiana no akana taranaka
1406
15.
Raha zanaka tsy laitra hanarina, miteraha haita
kels
16.
aleo very solonify toy izay very solomaso,aleo very vady toy izay very zanaka
Hasnfan
17.
Adin' ombalahin' ny mpianakavy : ny mahery tsy hobina ny resy tsy horakorahina.
BEDOGAIGY
18.
Adala vady renianaka, ka mirakitra an-karon-doa-body.
BEDOGAIGY
19.
Adala manan-janaka ka ny isany avy no anontaniana olona.
aivetinakely
20.
Zakao amim-pitiavana toy ny alahelon'akoho ny ezaka izay atao, fa na voahosihosy aza ny lamosina, na voatsaingotsaingoka aza ny loha, ny adidy amin'ny taranaka mba vita ihany.
rainisalama
21.
Jangareny, ka botry anaka
yveratsimb
22.
Manao zanaka anaty fo maharary
yveratsimb
23.
Adala vady reny anaka ka mirakitra amin-karon-doa-body
yveratsimb
24.
Voanemba mitsipika anjoron-trano ny zanaka manam-bady havana ,tsy very fa miharo amin'ny namany.
aivetinakely
25.
Sihanaka voadakan'omby,ka matin'ny hasarotan-dronono.
niryna
26.
Sasa forin'ny maro anaka, iray loak'aty dia roa topatopa!
sejianis
27.
Sinoa manambady baribary maso ka ny fanarenan-taranaka no zava-dehibe
ainasihery
28.
Tsy ny donak'afo no mampafana ny trano fa ny mpianakavy mifanara-tsaina
RAHARYTIANA
29.
Samby mpanaka tsy fagnome oran-dahy. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
30.
Nahoana no atao terak'ombin'Ambohimahagaga, ka ny tsy mianaka no ampinonoina?
soanja
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0209