Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe homehy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
homehy
Hampiditra ohabolana
1.
Aza mihomehy amboa mahia mba tsy hibozan'ny volony
tsara_ny_marina
2.
Ny mihomehy lavo aza misy todiny maika fa ny mitsambiki-mikipy
jock
3.
Kary mihomehy ny vorondolo, ka ny mandady indray no mihomehy
yveratsimb
4.
Taolana ny nify ka mihomehy
yveratsimb
5.
Aza manararaotra toy ny banga mihomehy alina.
niryna
6.
Manararaotra ohatran'ny banga mihomehy alina
Ratianakel
7.
Takatra mihomehy dangoro, tsy mahita ny ambany laikany.
aivetinakely
8.
Manararaotra tahaka ny banga mihomehy alina.
king58
9.
Aza manararaotra tahaka ny banga mihomehy alina.
aivetinakely
10.
manalasala toa vady lava nify, atao aoriana toa hanaikitra ihany, atao aloha toa hihomehy amin'ny hafa.
elyzo
11.
Homehy tsy haty ko le be hy.
sylvoalias
12.
Manalasala toa manambady lavanify: atao ao aoriana toa hanaikitra, atao eo aloha toa mihomehy amin'ny hafa
zanakantitra
13.
Mihomehy hianao, mihomehy ny rehetra, mitomany kosa hianao dia hianao irery no manao izany
niryna
14.
Izay mihomehy farany no lava fotoana hihomehezana
niryna
15.
Raha hihomehy hianao dia hiara-hihomehy aminao ny rehetra, raha mitomany hianao dia hianao irery ho hiaran'izany
niryna
16.
Raha mitomany hianao, dia hianao irery no mitomany fa raha mihomehy kosa hianao dia mihomehy miaraka aminao ny amban'ny lanitra.
niryna
17.
Manararaotra sahala amin'ny banga mihomehy alina
anahely
18.
Aza manararaotra tahaka ny banga mihomehy alina.
aivetinakely
19.
Mihomehy lavo aza misy todiny.
lanto
20.
Aza homehy lavo, fa ny tody tsy misy, fa ny atao no miverina.
latina
21.
Aza manararaotra tahaka ny banga mihomehy alina.
Bobdenard
22.
Banga mihomehy ka hita hatramin'ny havokavony
Falitiana2005
23.
Manararaotra toy ny banga mihomehy alina
vale
24.
Mihomehy tany vaky
JMR
25.
Kary mihomehy vorondolo: ka ny mandady indray no mihomehy manidina
McFy
26.
Banga mihomehy, hita hatramin'ny havokavony
JMR
27.
Manararao-paty hoatran'ny banga mihomehy alina
JMR
28.
Kary mihomehy vorondolo ka ny mandady indray no mihomehy manidina
jentilisa
29.
Manararaotra ohatry ny banga mihomehy alina
vale
30.
Taolana ny nify ka mihomehy
ftma
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0545