Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mamo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mamo
Hampiditra ohabolana
1.
Vary amin'anana tonga vahiny ka mamory kitoza tsy fidiny
Zohimbato
2.
Omby masiaka mifatotra ny marina ka loza hoan'izay mamoraka azy. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
3.
Aleo mamoy kely itsaboana, toy izay hamoy be andevenana
mltfm
4.
Aleo mamoy iray alina hitsaboana; toy izay ivoahana an'hetsiny mandevina!
mltfm
5.
Be fandrahonana ohatra ny ampanga, mbola any an-tany dia mamonkona totohondry!
hery
6.
Ny teny toy ny toakan-jaodahy, kely tsy mahafa-po be mamoaka ny aty
lehsabotsy
7.
Tsy ny anjara no mamolavola ny olona fa ny olona no mamolavola ny anjarany
tovorandria
8.
Tsy misy hazo mamoa ka tsy miorim-paka.
tsiroa
9.
Ratsy vintana toy ny saka,ka be vohoka vao ato hoe mamosavy
Nyavorakoto
10.
Fohy mamonjy lanonana ka rehefa rava vao hita.
aivetinakely
11.
Andevolahy mamosavy tompo : voky hena indray andro fa hiongo-belona herintaona.
yveratsimb
12.
Fihavanan' ny Mamoladahy : tsy mihavana roa taona
yveratsimb
13.
Ny teny toy ny fonosana, ka izay mamono no mamaha.
yveratsimb
14.
Ratsy fiafara toy ny lahy antitra mamosavy
rjuste
15.
Tapia tsy miakatra Imerina, amberivatry tsy midina Imamo.
soanja
16.
Hovalahy mamosavy andevolahy, ka misolo ny entan-kitainy.
soanja
17.
Akondronay no mamoa, ka azonay anaranam-po.
soanja
18.
Natao ho zavona manamasaka ny vary, kanjo fanala mamono ny mangahazo.
soanja
19.
Mamono volana an-trano.
soanja
20.
Toy ny mpanefy, mikapo-dalitra ambony lovia ka mamoy sasanangy tsy satry.
soanja
21.
Zava-doza tahaka ny kankana mandimby mirana, sady mamoy aina no tsy mahate-hijery.
aivetinakely
22.
Aza mora mamoifo fa mora volena ny fitiavana.
aivetinakely
23.
Zandry tsy mahandry lova hatolotra ka mamosavy ny zoky tsy ampiheverana.
aivetinakely
24.
Aza manambady mamolava, fa rehefa lany ny hareny, hamidiny mbamin'anaka.
aivetinakely
25.
Mibanjina ny sokatra aho, tsy misy ny fandrosoany raha tsy mamoaka ny tenda ety ivelany izy
niryna
26.
Ny lambo tsy ahina no mamola-pe.
aivetinakely
27.
Volabe tsy arahim-pitiavana, zary poizina mamono ny vatana, lasa zavona tahaka ny vongandranomandry.
aivetinakely
28.
Ny manantena sarotra fa ny mamoy mora foana.
aivetinakely
29.
Ny manatena sarotra fa ny mamoy mora foana.
aivetinakely
30.
Felam-boanjobory totofana, mandefitra vao mamokatra be.
aivetinakely
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0176