Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
vady
Hampiditra ohabolana
61.
Efa lany andro ny vady amboarina.
aivetinakely
62.
Vadivao mifanena amin-drafozana, sahiran-tsaina ny fomba hiantsoana azy.
aivetinakely
63.
Vady notoloram-pahefà na, ka manitsa-boninahitry ny rafozana.
aivetinakely
64.
Miambovona tahaka ny vehivavy vita fomba, ka manadino ny adidy miandry.
aivetinakely
65.
Aza manambady mamolava, fa rehefa lany ny hareny, hamidiny mbamin'anaka.
aivetinakely
66.
Aleo vady manam-panahy toy izay vehivavy tsara tarehy.
aivetinakely
67.
Izay tsara vady mahay miresaka, fa ny vady mpamitaka toa ny afo antampon-doha ka sady mandoro no mahafaty.
aivetinakely
68.
Vady vita fomba, vita fatotra fa tsy very safidy.
aivetinakely
69.
Manambady jamba ka ny safosafo no amenoana ny banga
aivetinakely
70.
Miova sata miova andriana, manova vady manova filan-kevitra.
aivetinakely
71.
Manary vady tanora manome zara ho an'ny sasany.
aivetinakely
72.
Tsara vady mianjaika, miomàna fa ho be fahavalo.
aivetinakely
73.
Ny vady jerijery, ny rafozana fanambina.
aivetinakely
74.
Faniriana ny an-dRaivotatamo : raha mba vadiko, hono, Rainizafinime !
ontsy
75.
Vady tsy lasam-bodiondry, sady tsy ara-dalàna no tsy toloram-pahefàna.
aivetinakely
76.
Ny vady filàna hevitra , ny namana mpanavotra amin'ny sarotra
aivetinakely
77.
Adala ny manina ka tompom-bady no hafarana.
aivetinakely
78.
Tsy misy mahamenatra mihoatra ny mitari-bady tsy lasam-bodiondry
aivetinakely
79.
Miatranatrana toa vady vao.
ilanto
80.
Tsy misy zava-mahamenatra mihoatra ny mitari-bady tsy lasam-bodiondry.
aivetinakely
81.
Maimay tahaka ny boka hanam-bady, kanefa na ny tànana hanafosafo tsy misy.
aivetinakely
82.
Ny manary vady tanora manome ny tsy manana
aivetinakely
83.
Adala ny manina ka ny tompom-bady no hafarana.
aivetinakely
84.
Tezera-manatona tahaka ny vady aman-janaka
aivetinakely
85.
Aza matoky fitiavana ka hitanjaka imasom-bady.
lanto
86.
Raha tiana ny vady, ny rafozana no tsinjovi-mandeha
Aotsara
87.
Aza mba mitonatonana toy ny vinato tsy mahare fosa.
Swin
88.
Tiavo ny vady fa raha tafitohina hareniny
Swin
89.
Haratsifo, tsy agnanteram-baly
SENATERA
90.
Izay maharitra vadin' andriana fa izay tsy maharitra vadin' ikotokely.
vahatra22
1
2
3
4
5
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0137